Hotanterahina any Maroc ny 18 ka hatramin’ny 25 novambra ho avy izao ny lalao fameno, hiadiana ny tapakila hidirana ao anaty “Top 8”, taranja rugby lalaovina olona 15 ho an’ny sokajy “senior” lehilahy. Anisan’ireo firenena hiady izany ny Makis de Madagascar. Raha tsy misy ny fiovana hanainga ny alahady 17 […]
Fanatajahantena
Barea de Madagascar : «Tsy misy kajikajy hafa», hoy i Amada
Iray andro mialoha ny lalao hikatrohana amin’ny Aigle de Carthage Tunisie, ny Barea de Madagascar, anio. Lalao hatao any Afrika Atsimo, rahampitso alakamisy ary tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadiana ny tapakila hiatrehana ny Can 2025, tontosaina any Maroc. “Lalao goavana ny rahampitso ary tsy misy ny kajikajy fa tsy maintsy […]
Hetsika fampivoarana ny tanora : hatao eto Madagasikara ny “Youth Connect Africa 2025”
Fandresena ho an’ny tanora malagasy ny fivoriana natrehin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena tatsy Rwanda. Voasafidy hampiantrano ny “Youth Connect Africa 2025” i Madagasikara. Hiteraka asa maro sy ampiditra vola vahiny betsaka izany. Horakorakam-pifaliana no nitsenana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena malagasy, i Marson Moustapha Abdulah, teny […]
3FB Rugby : Takin’ireo mpilalao tranainy ny hialan’ny filoha sy ny mpanazatra
«Afa-nenina izahay ary efa feno ny kapoaka ka tsy afaka ny hitazam-potsiny intsony amin’ny fahapotehan’ny klioba 3FB rugby»,hoy ireo mpilalao tranainy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankadifotsy. Araka izany, takin’izy ireo ny fametraham-pialan’ny filoha ankehitriny miaraka amin’ny mpanazatra. Nambaran-dRakotoarimanana Jas Nirina (Bodhy), fa marary ny klioba ka aleo horaisinay mpilalao […]
« Grand Tournoi Antananarivo » : Tafita amin’ny famaranana ny Cosfa sy ny CFFA Andoharanofotsy
Notontosaina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By pass, omaly, ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo”. Ny ekipan’ny Cosfa Miaramila sy ny CFFA Andoharanofotsy no tafavoaka hanao famaranana sy hiady ilay lelavola 20 tapitrisa Ariary amin’izany. Raha hiverenana ny voka-dalaon’izy ireo, ny ekipan’ny Cosfa nandresy ny Avenir Ste Anne […]




