Semban-drahona indray ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry, teo amin’ny faha-31 taonany, ny sabotsy 1 jolay lasa teo, ilay mpilalao basikety malagasy, Robertson Dalton, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Joma. Tao amin’ny klioban’ny GNBC Basket-ball izy no nilalao ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Nanana ny naha izy azy i […]
Fanatajahantena
Basikety – “World Cup U19”: Laharana faha-14 ny Ankoay
Nifarana, omaly, tany Debrecen Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 19 taona. Laharana faha-14 no misy ny Ankoay. Tafapetraka eo amin’ny laharana faha-14, ny ekipa malagasy, niatrika ny “World Cup U19”, taranja basikety. Tsy nahomby ny lalao fiadian-toerana nifandonan’izy ireo tamin’ny ekipan’i Egypta, […]
“World Cup Basket U19” : resin’i Korea Atsimo 72 no ho 60 ny Ankoay
Niady ny lalao fiadian-toerana (9-16) ny fiadiana ny amboara eran-tany taranja basikety U19, nifanandrinan’i Korea Atsimo sy i Madagasikara, tao Debrecen Hongrie. Nanohitra mafy ny ekipa malagasy saingy resy tamin’ny isa tsy dia nifanalavitra 72 no ho 60. Nifandanja tsara ny lalao, nandritra ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Nanoloana ny […]
Judo-Tompondakan’i Afrika : firenena 6 hatramin’ izao no ho avy eto
Hotontosaina ny 27 hatramin’ny 30 jolay izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior sy Cadet. Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo, firenena 6 hatramin’izao no efa nisoratra anarana ary raha tsy misy ny fiovana dia hitondra delegasiona mafonja […]
Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026» : Ao amin’ny satroka fahatelo ny Barea de Madagascar
Fantatra avokoa ny satroka misy ireo firenena afrikanina 27 eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny «Mondial 2026». Ao amin’ny satroka fahatelo no misy ny Barean’i Madagasikara. Navoakan’ny Kaonfederasiona afrikaninan’ny baolina kitra (CAF), tao amin’ny tranokalam-pifandraisany omaly zoma, ny satroka misy ireo firenena afrikana miisa 54, hiatrika ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial […]