Niditra tamin’ny andro faharoa, ny sabotsy 2 marsa lasa teo, ny fiofanana “Sapeurs-pompiers”, ho an’ny mpitsara sy mpitantana toeram-pikotranana, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana. Manodidina ny 40 ireo tonga namaly ny antso ka niatrika ity fampiofanana nomen’ny Mpamonjy voina eny Tsaralalana ity. Tsiahivina fa tamin’ny 24 febroary no nanatanterahina ny […]
Fanatajahantena
Volley-CCZone 7 : Tompondaka lefitra ny GNVB lahy sy vavy
Nifarana ny sabotsy 2 marsa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball (CCZone 7). Laharana faharoa ny GNVB, lahy sy vavy. Samy tsy nisy tafavoaka teo amin’ny lalao famaranana na ny Gendarmerie nationale de Volley-Ball (GNVB) sokajy lehilahy na ny […]
Volley-CCZone 7 : hanao famaranana ny GNVB lahy sy vavy
Fahombiazana tanteraka no azon’ny ekipan’ny GNVB, omaly, nandritra ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball. Samy hiatrika ny famaranana, anio, ny GNVB lahy sy vavy. Voatazona aloha hatreto ny fanamby napetraky ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena. Nambaran’ ny mpanazatra, Razafinjatovo Jean Honoré, tany am-piandohan’ity fifaninanana ity […]
Tsipy kanetibe : hahazo 2 tapitrisa Ar izay tompondaka
Hotanterahina, anio sy rahampitso, eny Tanjombato, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay voahosotra ho tompondaka amin’izany. Homena 500 000 Ar kosa izay tompondaka amin’ny “doublette” sokajy vehivavy. Ankoatra izay, misy ihany koa […]
Rugby – «Super coupe»: hanalavela amin’ ny Cosfa ny FTM
Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izay tena laharana voalohany amin’ny taranja rugby. Hiady izany, amin’ny alalan’ny “super coupe de Madagascar” ny FTM tompondaka sy ny Cosfa tompon’ny amboara. Hangotraka io fihaonana io satria ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Raha teo amin’ny fihaonana farany, nivoaka […]




