Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Lalao anisan’ny niady ny fifandonana teo amin’ny Zoulou Papa sy ny AT2B, sokajy Vétérans lehilahy. Isa 41 no ho 39 no nivoahan’ny Zoulou Papa ho mpandresy. Hanatanteraka fihaonana “Mini-Basket”, basikety ho an’ny ankizy, ny […]
Fanatajahantena
Youth Camp 2024 : miofana any Abidjan i Tantely sy i Tiffany
Taorian’ny fiofanana ho an’ny zazalahy, anjaran’ny zazavavy indray no miatrika ny “Fiba Regional Africa Youth Camp”, izay hatao any Abidjan, Côte D’Ivoire. Fiofanana nanomboka omaly ary hifarana ny 26 oktobra izao. Efa nigadona any an-toerana ny fiandohan’ity herinandro ity ny Malagasy mpilalao, Rasoariniaina Tantely, mpilalaon’ny Fandrasa sy Rabeniamina Kaloniaina Tiffany, […]
Baolina kitra, vehivavy – «Cosafa cup 2024»: resin’ny Barea tamin’ny isa 5 no ho 1 i Maurice
Nanao be fiavy ny Barea de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa Cup”, sokajy Sénior, vehivavy, taranja baolina kitra. Nomontsaniny tamin’ny isa mavesatra ny Club M Maurice. Tsara fanombohana ny Barea de Madagascar, vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny […]
Faneva Liantsoa : maniry ny hisian’ny kianja tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy
Ho fanampiana ny tanora sy ny ankizy misehatra eo amin’ny lalao tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy. Maniry ny hananganana ny kianja filalaovana izany eny an-toerana, i Faneva Liantsoa, tompondaka maneran-tany ny taona 2021 lasa teo. Mandritra izao fankalazana ny faha-60 taonan’ny Cité Akany Sambatra izao. Manam-paniriana ny hisian’ny “boulodrome”, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hatao rahampitso, eny amin’ny foibe toeran’ny Malagasy rugby Andohatapenaka, ny antsapaka hahalalana izay hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondaka «Top 20». CRAI, Rosa, FTAT, JSTA, CEA, 3FAI, XV Avenir, XV Fa, no hiatrika izany. Lalao hatao ny 10 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Malacam. Notanterahina nanomboka […]




