Hotanterahina manomboka anio ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL)”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava. Fifanandrinana hotontosaina ny alahady ho avy izao, any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Mbola manala vela ny mpilalaon’i Bongolava satria efa resin’ny […]
Fanatajahantena
Rugby – Lalao fihantsiana: hitsapa ny herin’ny Makis ny University of Bristol
Handray lalao iraisam-pirenena indray ny rugby malagasy. Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 25 jona, ny fihaonana fihantsiana, hikatrohan’ny Makis de Madagascar “senior” sy ireo mpianatra avy any amin’ny oniversiten’i Bristol, Angletera. Tafiditra ao anatin’ny fitetezam-paritra ataon’ireto Anglisy ireto ity fihaonana ity, ary fiomanan’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny fifanintsanana […]
“World Cup U19”: azon’ny Ankoay atao tsara ny mandresy ny ekipam-pirenena amerikanina
Hanomboka anio, any Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, latsaky ny 19 taona. Vonona ny hanohitra ny Amerikanina ny Ankoain’i Madagasikara. Hiakatra an-kianja voalohany anio, amin’ny 1 ora ny Ankoay, ekipam-pirenena malagasy, ao anatin’ny fifaninanana “World Cup U19”. Miandry ny ekipan’ny Coach Randria Aimé sy Razazarohavana Malalatiana ry […]
Tenisy – « Davis Cup 2023 »: lavon’ i Madagasikara i Lesotho
Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, nandritra ny fifaninanana eran-tany “Davis Cup 2023”, “Groupe V”, izay tanterahina any Kinshasa RD Congo. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, ny alarobia lasa teo. Teo amin’ny lalao “Simple 2”, resin-dRakotomalala Romeo, tamin’ny seta, 2 no ho 1 […]
Basikety-Mada vs USA: halefa mivantana amin’ny « Ecran géant » ny lalao
Ho fiombonana sy fanohanana ny Ankoay, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hikarakara fandefasana amin’ny “Ecran géant” ny lalaon’i Madagasikara sy Etazonia, ny 24 jona izao, ny ligin’Analamanga, basikety. Eny amin’ny kianja basikety eny Ankatso, ny hanaovana ity fampitana mivantana ity. Hanomboka amin’ny 12 ora ny fotoana ary hisy […]