Fanatajahantena

“Fiba World Cup U19”: hihaona amin’i Chine i Madagasikara

10 andro mialohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety “Fiba World Cup U19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona – 2 jolay, hanao fiofanana any Serbia ny Ankoay. Araka izany, misy lalao andrana efatra ataon’ity ekipam-pirenena malagasy ity, ao amin’ny “Centre Vizura sport” Bel­grade. Anisan’izany, ny fifanandrinan’izy ireo […]

Basikety – Alley Hoop 3×3 : raikitra ny fifaninanana ho an’ny U20

Hotanterahina ny alahady 18 jona, eny amin’ny Parking Orange Tour Redland, ny fifaninanana “Alley Hoop 3×3”, taranja basikety, natokana ho an’ny latsaky ny 20 taona. Andiany faharoa amin’ny “Al­ley Hoop”, taona 2023, ity fifaninanana iarahan’ny Oran­ge sy ny RDJ mikarakara ity no sady tafiditra amin’ny faha-20 taonan’ny RDJ ihany koa. […]

Taekwondo : nanambara ny tsy mety ny ligin’Analamanga

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny ligin’ Ana­lamanga, taranja taekwondo, Rakotomanana Franck Tiana, taorian’ny fa­havitan’ny fiadiana ny amboaran’ny masoivohon’i Korea, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsy nitsitsy fitenenana ny tenany namaky ny vay maharary ity haiady ity. Naneho ny fahagagany izy ny amin’ny tsy nampiasana ny “passeport” sy ny […]

Can 2023 : nantsoina hanolo an’i Njiva i Carolus

Afaka dimy andro, hifandona amin’ny Black Star Ghana ny Barea de Mada­gascar. Lalao miverina amin’ny fifanintsanana Can 2023, ny 18 jona ho avy izao. Araka ny vaovao navoakan’ ny Fe­de­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, i Carolus, lohalaharana Barea, no manolo ny toeran’i Njiva. Fanomanana taratasy fifanarahana amin’ilay kliobany vaovao […]