Miroso mankany amin’ny fampandrosoana ny lafiny fitsarana lalao ny Federasiona malagasin’ny basikety. Nandritra ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena N1A, teny Mahamasina, no namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitsara miisa 16 mianadahy. Ankoatra ny mari-pankasitraha, nahazo mari-pahaizana avy amin’ny Fiba Afrika ihany koa izy ireo. Tsiahivina, niatrika fiofanana sy fanadinana […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – Barea de Madagascar : nanatevina ny ekipa teknika i Thomas Gornouec
Tonga manampy ny mpanazatra amin’ny fikarakarana ny tanjak’ireo mpilalaon’ny Barea, any Maroc, i Thomas Gornouec. Hiara-miasa amin’ny Me Bebeto izy mandritra ity lalao hifanandrinana amin’ny Scorpions de Gambie ity. Tsy ny mpilalao ihany no nohatevenina amin’ity lalao roa hikatrohana amin’ny Scorpions an’i Gambie ity fa ny ekipa teknika ihany koa. […]
Baolina kitra : nitambatra ny AS Avenir du Sud sy ny AS St Anne
Araka ny vaovao voaray omaly, nitambatra ho iray amin’ity taom-pilalaovana manaraka ity, ny AS Avenir du Sud Anosy, tompondakan’ny diviziona faharoa nasionaly «World Cola Ligue des Champions D2 Nationale» sy ny AS St Anne, solontenan’Analamanga tamin’ny fifanintsanam-pirenena, «D2 Nasionaly» farany teo. Raha ny fanazavana azo, lasa hoe AS Avenir St […]
Faha-25 taonan’ny CSLA : Klioba valo no tonga namaly ny antso
Nankalazaina teny amin’ny Epp Anosivavaka Ambohimanarina, ny sabotsy lasa teo, ny faha-25 taonan’ ny klioba tolona “Club sportif lutte Ambohimanarina (CSLA)”. Ho fanamarihana izany, nisy ny fifanintsanana izay nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpikatroka tolona sokajy zandriny, U13 ary U11, lahy sy vavy. Klioba valo no namaly ny antso tamin’ity hetsika […]
Basikety-N1A: nanao pao-droa ny ekipan’ ny GNBC
Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A 2024, taranja basikety. Nanao pao-droa ny ekipan’ny Zandary, tamin’ity fifaninanana Elites 8 ity. Samy norombahin’ny GNBC avokoa ny fandresena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Raha hiverenana izay vokatra izay, nandresy ny MB2ALL Analamanga, tamin’ny isa 77 […]




