Fanatajahantena

Kitra any ivelany: taitra tamin’ny tenin’i Pep Guardiola ny rehetra

Taorian’ny nandavoan’ ny ekipan’ny Manchester Uni­ted, tamin’ny isa 2 no ho 1, an’ny Manchester City, ta­­min’ny “Premier Lea­gue”, namoaka vava i Pep Gua­r­di­ola, mpanazatra ny Man City, ny asabotsy lasa teo. Nilaza izy fa “efa azonay daholo ny amboara rehetra taty Angletera ka tsy olana aminay intsony na mandresy izahay […]

Handball – IHF Trophy U20: Hihaona amin’i Akio i Rwanda anio

Ho tanterahina androany, any Congo, ny fifaninanana “IHF Trophy continental Afri­ka U20”. Araka izany dia hifanandrina amin’ny Akio zandrikely lehilahy ny ekipan’i Rwanda, tompondaka tao amin’ny faritra fahadimy. Lalao izay hanomboka amin’ ny 5 ora hariva, ora malagasy. Tsiahivina fa aorian’io lalao amin’i Rwanda io, mbola misy lalao efatra miandry […]

Komity Olympika Malagasy : lany ho filoha faninefany Randrianasoloniaiko Siteny

Nizotra tsara araka  ny tokony ho izy ny fifidianana filohan’ny Komity Olympika Malagasy (Kom), natao tao Toliara, tao amin’ny Hotel Eden Palm, omaly alahady. Lany hitantana ny Kom, faninefany indray Randrianasoloniaiko Siteny. Niarahan’ny rehetra na­naiky fa tsy hisy ny latsa-bato fa “acclamation” ny hanatanterahana ny fifidianana, izay nahalany ny kandida […]

Vondrona «C»: tsy nomen’i Algerie fahazoan-dalana i Maroc

Handray anjara…. tsy han­dray anjara? Tamin’ny ora farany, tsy mandray anjara ny Liona-n’i Atlas Maroc, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka, taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, tanterahina any Algerie. Raha ny vaovao nivoaka tamin’i Africa­news.fr ny asabotsy lasa teo, tsy nomen’ny fitondrana Alzerianina, […]