Fanatajahantena

Cross country : nanjakan’ny Bebaoty ny hazakazaka

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Bout de piste Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga “cross country”, sokajy rehetra ho an’ny taranja atletisma. Nanjakan’ny Bebaoty ny hazakazaka 10 km, teo amin’ny “sénior”, lehilahy. Voalohany i Elysé Heriniaina, avy amin’ny Cosfa, nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny 33 mn 21 s […]

Espoirs Sportifs de Tuléar: haka medaly maro amin’ity taona 2024 ity

Fanamby vaovao mihitsy no apetraky ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST) amin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’ny filohany, i Vital Serge. Tanjona lehibe iray ny haka medaly maro. Ankoatra ny fanatanjahantena, hiditra bebe kokoa amin’ny lafiny ara-panabeazana sy ny ara-tsosialy ny Espoirs Sportifs de Tuléar . Tsy misy […]

Taranja Tolona: fifaninanana 3 tsy maintsy hatrehina

Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML) ny zoma lasa teo, teny Andohatapenaka, fa telo ireo fifaninanana hatrehin’izy ireo, ho an’ny volana marsa. Ankoatra ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny faha 8 hatramin’ny faha 23 ny volana ho avy, mbola hisy fihaonana iraisam-pirenena roa, ao anatin’ny fandaharam-potoana. Anisan’izany, […]

“Pureplay Football League” : nisaraka ady sahala ny Uscafoot sy ny Cosfa

Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena «Pureplay Football Lea­gue (PFL)», taranja baolina kitra, diviziona voalohany. Ady sahala, 1 no ho 1, no nisarahan’ny ekipan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Cosfa miaramila. Lalao notontosaina teny amin’ny Kianjan’i Ma­hitsy, ny sabotsy teo. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, samy […]

DAKA AN-JORONY: Stop ny mpanao Shopping

Nampivarahontsana an’ireo federasiona hiatrika ny lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny nandre fa nahena araka izay azo atao ny atleta hifaninana. Nitaraina tamin’ity fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ity avokoa ny rehetra. Efa amam-bolana maro ny nanomanana ity lalao faratampony aty Afrika ity saingy izao voafetra izao ny toerana ho an’ny […]