Fanatajahantena

Kitra – Amboara rezionaly U19 Tafakatra ny ekipan’i Boeny

Nifarana omaly alahady ny fihodinana voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara isam-paritra, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy U19. Ny fihaonana notanterahina tany amin’ny kianja Port-Bergé no nanakatona izany. Tafita amin’ny dingana manaraka ny ekipa voafantin’i Boeny, izay nahazo fandresena indroa. Raha tsiahivina, nanilika an’i Sofia, teo amin’ny andro voalohany […]

Kitra – «Chan 2023»: resin’ny Barea 2 no ho 1 i Ghana

Tsara fiditra ny Barea de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny mpilalao tsy mila ravinahitra. Resin-dry zalahy ny Black Galaxies Ghana. Nanakoako erak’i Afrika indray ny lazan’i Madagasi­kara, omaly alahady. Re­sin’ny Barea, tamin’ny isa, 2 no ho 1 ny Black Galaxies […]

Handball – IHF Trophy U20 : hifanandrina voalohany amin’ny Akio i Rwanda

Niainga androany hihazo an’i Congo ny Akio Mada­gas­car, sokajy U20 lehilahy. Han­dray anjara amin’ny “IHF Trophy U20” Afrika no anton-dian’izy ireo any. Ny ekipan’i Rwanda, tompondaka tao amin’ny faritra fahadimy no hifanandrina amin’ny Akio Madagasikara, ny 16 ja­noary ho avy izao. Fihao­nana izay hotanterahina ao Congo, amin’ny 5 ora hariva. […]

Faneva Ima: hitantara ny lalaon’ny Barea sy i Ghana

Mifantoka any Algérie avokoa ny sain’ny rehetra, nanomboka omaly zoma, nanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Ani­san’ireo miatrika izany ny Ba­rea de Madagascar, izay hiditra an-tsehatra rahampitso alahady. Hifandona amin’ny Black Galaxie Ghana ry zalahy amin’ity andro voalohany ho […]