Hanomboka rahampitso alahady 7 mey, eny amin’ny kianja Ambohimamory, ny andiany faharoa amin’ny «Atsimondrano Champions League» (ACL), taranja baolina kitra. Fifaninanana karakarain’ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny sy ny Actions Sport. Ekipa 78 avy amin’ny kaminina 26 mandrafitra an’Atsimondrano no hiady izay ho lohany amin’ity. Nambaran’ny mpikarakara nandritra ny fivoriana ara-teknika nanaovana […]
Fanatajahantena
Ligim-paritra U19 : mitohy ny fitiliana ny Barea U20
Ho fiatrehana ny Cosafa U20, hotanterahina manomboka anio, any amin’ny faritra Ihosy sy Mahajanga, ny fifaninanam-pirenena, amboara rezionaly, ho an’ny sokajy U19. Marihina fa natao hitiliana ireo Barea zandrikely ity dingana faharoan’ny fifanintsanana ity. Misy ekipa valo izy ireo no tafita amin’ity dingana manaraka ity, anisan’izany i Sava, Atsinanana, Boeny, […]
Kitra – «Jeux de la Francophonie» : 24 avy eto an-toerana, 6 mila ravinahitra voaantso Barea
Nivoaka, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao 30 mirahalahy nantsoina handrafitra ny Barean’i Madagasikara, sokajy U20. Hanao ny fifaninanana ho an’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie 2023” izy ireo. Ahitana mpilalao mila ravinahitra 6 ny ekipam-pirenena. Ho fiatrehana ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie 2023”, izay hatao […]
Lalaon’ny Nosy : nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra
Anisan’ny tena nibahan-toerana nandritra ny filankevitry ny minisitra, notanterahana afakomaly, ny mahakasika ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Hatao ny 25 Aogositra hatramin’ny 03 Septambra 2023 izany. Firenena 7 mandray anjara : Madagasikara, Maorisy, La Réunion, Maldives, Kaomoro, Seychelles ary Mayotte. Manana ny fotodrafitrasa afaka mandray izany isika, misy […]
SESAM andiany fahatelo : hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio
Hanomboka anio, etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany fahatelo, amin’ny SESAM (Sport extrême et salon des Arts martiaux). Raha ny fandaharam-potoana, amin’ny 9 ora sy sasany ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, iarahana amin’ireo olo-manankaja, aorian’izay, misokatra ny hetsika, izay amin’ny 6 ora hariva vao hifarana, isan’andro. Ny SEHO no mpikarakara […]