Fanatajahantena

« Rallye des litchis » : hamaranana ny taom-pilalaovana

Hotanterahina ny sabotsy 16 novambra ho avy izao ny andiany faha-7 amin’ny “Rallye des litchis”, dingana fahadimy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2024. Fifaninanana, karakarain’ny klioba AC 501. Mahatratra 121, 56 km ny halaviran’ity rallye ity. Misy dingana manokana «ES» miisa 6 mirefy 73, 24 km izy ity. Hotanterahina […]

Fihezama – “Critérium National” : hanetsehana indray ireo taranja matory

Eo am-panomanana tanteraka ny “Critérium National”, ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Fihaonambe na­sionaly hotanterahina ny zoma 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Pedro Andralanitra. Tanjona ny ha­netsehana indray ireo taranja matory, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Hetsika maro no hanamarihina io fotoana […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra fa hatao any Ambatolampy, manomboka ny 1 hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra «Ping Pong». Hetsika izay hiarahan’ny Federasiona FMTT sy ny seksiona ao Ambatolampy manatanteraka izy ity. Hotontosaina, anio, any Mahajanga, ny fiadiana ny […]

«Ballon d’or 2024»: nanao pao-droa ny Espaniola

Notontosaina omaly, tao Paris, ny lanonana fanomezana ny “Ballon d’or”, ho an’ny mpilalao baolina kitra mendrika maneran-tany, ho an’ny taom-pilalaovana 2023-2024. Nanao pao-droa ny Espaniola, satria lasany avokoa ny teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ho an’ny lehilahy, nandrombaka izany voalohany ho azy, i Rodri, mpilalaon’ny Manchester City. Teo amin’ny […]