Fanatajahantena

Surf – Kaonfederasiona Afrikanina : lany ho filoha lefitra i Roger Faustinato

Vaovao tsara eo anivon’ny fanatanjahantena malagasy. Voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny Kaonfederasiona Afrikaninan’ny Surf (Kas), ny filohan’ny federasiona malagasy, i Roger Faustinato. Nandritra ny fivoriambe narahana fifidianana, natao tany Dakar Sénégal, tamin’ny 23 avrily lasa teo, no nahafantarana izany. Teratany Senega­ley kosa no lany ho filoha, ilay kandida tokana. […]

“Prize money” 500.000 Dolara: “Mitaky ny mangarahara amin’ny FMF ny Barea Chan”

Naneho firaisankina amin’ny fitakiana ny mangarahara mahakasika ny “Prize money”, mitentina 500.000 dolara ho an’ny mpilalao sy ny staff, ny Barea nanao Chan Algerie 2022. Raha ny filazan’ireo mpilalao malagasy, efa ela no tonga ilay vola saingy tsy fantatr’izy ireo izay hanaovan’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra izany. “Mitaky ny […]

Tournoi Fitaratra : hifaninanana ireo Epp 32

Miisa 32 ireo sekoly fanabeazana fototra na Epp mandray anjara amin’ny “Tournoi Fitaratra”, taranja baolina kitra lalaovin’olona fito. Hetsika notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, omaly. An­isan’ireo mandray anjara amin’izany ny Epp Anosibe sy An­tanimena. Haharitra hatra­min’ny 24 may ny fifanintsanana. Ireo mpianatra ao amin’ ny kilasy fahefatra (T4) no […]

Basikety N1A(L)-Andrefana: tsy tonga ny MB2ALL sy ny SEBAM

Nanomboka omaly, ao amin’ny Complexe Ampi­si­kina, Mahajanga, ny fifaninanana N1A lehilahy ho an’ny kaonferansa Andre­fana. Ekipa enina no mandrafitra ny fifaninanana. Tsy tonga ny ekipan’ny SEBAM, Boeny sy ny MB2ALL, Analamanga. Na­no­katra ny lalao ny AS Fanalamanga sy ny MBC Atsinanana. Taorian’izay ny fifandonan’ny GNBC Ana­la­manga sy ny ASCUT Atsinanana. […]

World Rugby : nodimandry i Lapasset, filoha teo aloha

Misaona ny tontolon’ny baolina lavalava maneran-tany. Nindaosin’ny fahafatesana, tany Louit, ao Hautes-Pyrénées, ny talata lasa teo, i Bernard Lapasset, filohan’ny federasiona frantsay sady mpitantana ny federasiona iraisam-pirenena “World rugby”. Ny aretina efa nitaiza azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany teo amin’ny faha-75 taonany. Anisan’ny mpitantana nanamarika ny […]