Fanatajahantena

Rugby – «Top 12 Mada»: hiady lohany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faha-9, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12”, taranja rugby. Hi­songadina amin’izany ny fi­haonana eo amin’ny FTM Man­jakaray sy Cosfa (Miara­mila Bebaoty), hiady izay ho lohany. Mitarika eo amin’ny filaharana ry zareo Manja­karay (Dakar) raha eo amin’ny faharoa ny Cosfa. Hiendrika […]

Baolina kitra – GTA : ho fantatra anio izay hanao manasa-dalana

Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny lalao ampahefa-dalana “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo ireo ekipa 4 hiatrika ny manasa-dalana amin’izany. Ho toy ny famaranana avokoa ny fifanandrinana. Anisan’izany ny an’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne ary ny an’ny CFFA […]

Bodybuilding-Maneran-tany : nanainga omaly alina ny delegasiona malagasy

Hatao ny 5 hatramin’ny 11 novambra izao, any Maldives, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Bodybulding. Omaly alina no nanainga ny delegasiona malagasy hiatrika ity fifaninanana ity. Atleta 4 mianadahy, tarihin’ny filohan’ny Fede­rasiona malagasin’ny Bodybuilding, i Georgi Ver­nier, no hisolo tena an’i Madagasikara any Maldives, mandritra ny fiadiana ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Resy nanoloana ny tompondakan’ny WFC i Tojo Heriniriana, tao anatin’ny fifaninanana « WFC Championship », izay ataony any Chine, taranja MMA. Voninahitra lehibe ho azy ity ady ity satria niady teo amin’ ny sokajy -61 kg izy, raha toa ka -57 kg ny sokajin-danja misy azy. Mbola mitohy ny fifaninanana ho an’i […]

JJB-“Fight Cage” : renioney 5 no hifandona amin’ny Malagasy

Raikitra ny fiadiana iraisam-pirenena momba ny “Fight Cage” karakarain’ny Guerre­ros Team. Fifaninanana hotanterahina rahampitso, ao amin’ ny Kianja mitafon’i Mahama­sina. Nambaran’ny mpikara­kara fa ady iraisam-pirenena 5 no hitranga mandritra io fifaninanana goavana io. Sam­bany no hisy fifaninanana anaty “cage” eto Madagasi­kara. Taranja Jiu-jitsu sy Grap­pling, Pancrace ary K1 no hifaninanana […]