Fanatajahantena

Tae-Kwon-Do WT : hatao any Toamasina ny fifaninanana

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, eo amin’ny taranja Tae-Kwon-Do WT, ny ligin’ Atsinanana. Hotantera­hina ny 5 ka hatramin’ny 7 janoary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny sokajy rehetra. Hiady izay ho lohany amin’ izany, ireo ligy 9 mandrafitra ny federasiona. Hanana ny lanjany manokana ity fihaonana ity, […]

Fahafatesan’i Pelé : nanome voninahitra azy ny mpankafy baolina kitra rehetra

Nodimandry i Edson Arantes Do Nascimento na i Pelé, mpanjakan’ny baolina kitra brezilianina sy eran-tany, ny alakamisy lasa teo. Tao­ri­an’izany, naneho ny fihetseham-pony mahakasika izany, ireo olo-malaza rehetra, tao anaty tambajotra serasera. Araka izany, nanoratra hafatra ho an’i Pelé ireo kin­tan’ny baolina kitra ankehitriny, isan’izany i Messi, mpilalao Arzantina, “ […]

Ima Faneva : «Nasaiko nifona i Tsilavina Drogba»

Mbola ambetin-dresaky ny rehetra foana hatreto ny fialan’i Tsilavina (Drogba), tao amin’ ny Barea de Madagascar. Manoloana izany, nandroso vahaolana i Ima Faneva ka niangavy ity mpilalao ity hifona amin’ny mpanazatra. Tsy nitazam-potsiny na­no­loana ny olana mampifanolana an’i Tsila­vina (Drogba) sy ny mpanazatra ny Barea Chan, An­dri­an­tsima Faneva Ima, kapitenin’ […]

Olan’ny Barea Chan : “Niteny ratsy ahy ny mpanazatra” hoy i Tsilavina

“Opa reny sy tabataba ary hatezerana, nasesikin’ny mpa­nazatra, raha toa ka hiala-tsiny sy hanazava ny antony nahatara ahy, ny tenako.” hoy i Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba, mpilalao an’i Fosa Junior Boeny, tao anaty tambajotra serasera, omaly. Tsia­hivina fa, niala tao anaty fampivondronan’ny Barea, teny Carion, i Drogba, ny asabotsy […]