Hifantoka atsy Afrika Atsimo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hiaka-tsehatra mantsy, anio, ny Barea, vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup”. Hidona amin’i Malawi izy ireo, anatin’ny vondrona “B”. Hiatrika ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja […]
Fanatajahantena
Grand Tournoi d’Antananarivo : manohitra ny ekipa vaventy ny klioba zandriny
Notontosaina, ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy Iavoloha, ny andro faharoa ny fiadiana ny amboaran’ny « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) ». Tsy nampoizin’ny rehetra hatrany ny vokatra teny an-toerana. Anisan’izany, ny fandresen’ny AS Ste Anne Espoir, 1 no ho 0, ny FC Rouge, izay klioba mifanintsana […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina any Accra Ghana, ny 9-10 novambra ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, Rugby Africa Women’s Sevens, sokajy vehivavy, lalaovin’olona fito. Ao amin’ny vondrona « B » no misy an’i Madagasikara, i Kenya sy i Ghana mpampiatrano ary ny nosy rahavavy Maurice. Nisongadina tanteraka, ny fandresen’ny ekipa espaniola, FC Barcelone, ny alarobia […]
Kitra – Filarahana FIFA : voasongon’i Comores i Madagasikara
Taorian’ireny vokatra azon’ny Barea de Madagascar nandritra ny andro fahatelo sy fahefatra, ny ady tapakilan’ny Can 2025, izay nihaonana tamin’i Gambie, natao tany Marôc ireny. Nihemotra faha-109 ny laharan’ny Malagasy, omaly, tao amin’ny filaharan’ny Fifa, raha toa ka faha-108 izy ireo teo aloha. Raha tsiahivina ny fihaonana nataon’ny ekipa nasionaly […]
Karate-Mada 2024 : mpikatroka 500 no andrasana
Higadona afaka dimy andro ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, izay hatao any Toliara. Manodidina ny 500 eo ny mpikatroka manerana ny Nosy andrasana, araka ny fanazavana nentin’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasion’ny Karate-do Malagasy (FKM). Araka ny efa nampahafantarina hatramin’izay, ireo mpikatroka roa voalohany isaky ny sokajy […]





