Fanatajahantena

Rugby Afrique : voatendry ho komity mpanatanteraka Rakotomalala Marcel

Manana olona miasa ao anatin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Rugby Afrique ny baolina lavalava malagasy. Voatendry ho anisan’ireo mpikambana Rakotomalala Marcel Joseph, filohan’ny Malagasy rugby. Voatendry ho anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny komity mpanatanteraky ny Rugby Afri­que, ny filohan’ny Mala­gasy Rugby, Rakotomalala Marcel Joseph. Nampahafan­tatra izany tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy nalefany […]

Fiofanana nomen’ny ANS sy CUA: 37 notolorana mari-pankasitrahana

Notanterahina, omaly, teny Ampefiloha, ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo 37 mianadahy, andiany « Sandra­tra », niofana nandritra ny 4 andro, ny 17-20 avrily lasa teo. Nisahana ny fiofanana ny Académie National des Sports (ANS). Anisan’ny nahafahana nanatontosa ny hetsika kosa ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA). Novoizina tamin’ity andiany fahadimy ity ny lohahevitra « Animateurs […]

Kitra – “Jeux de la Francophonie” : 30 ireo mpilalao handrafitra ny Barea

Ho fiatrehana ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay “ Jeux de la Francophonie 2023”, izay hatao any Kinshasa, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, fantatra fa miisa 30 mirahalahy ireo mpilalao handrafitra ny Barea U20. Araka ny fanazavan-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra […]

Handball – “IHF Trophy 2023”: nafindra i Madagasikara sy i Seychelles

Tsy horaisin’i Madagasikara ny “IHF Trophy”, ho an’ny faritra fahenina, taranja handball. Tsy misy afa-tsy ny Akio sy i Seychelles ihany mantsy no hany mandray anjara. Araka izany, notapahan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny IHF fa hafindra any amin’ny faritra fahenina izy ireo no mifaninana. Noho ny tsy fahampian’ny firenena mandray anjara […]

Rakotoarisoa Jean Claude: « Tsy tokony hokitihina ny kianjan’Anosimasina »

«Manao antso avo sy mangataka amin’ny Filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, izahay, mba tsy hovaina «terrain synthétique» ny kianjan’Anosimasina fa mba hatao bozaka ihany», hoy Rakotoarisoa Jean Claude, tomponandraikitra ao amin’ny klioba XV FA, teny Ampa­sika, ny zoma 21 avrily lasa teo. Nohamafisin’ity tomponandraikitra ity fa tsy mitsipaka ny tetikasa […]