Ankaotra ireo ekipa efatra, toa ny Fosa Junior, Cosfa, Elgeco, CFFA, tafita hiatrika ny “Play off” amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ihany koa ny AS Fanalamanga. Araka izany, miisa dimy ireo ekipa tafita amin’ity dingana manaraka ity hatramin’izao. Tsiahivina fa nanao ady sahala tamin’ny Uscafoot izy […]
Fanatajahantena
«Tournoi des petits champions»: nahazo medaly volafotsy i Précieuse Rakotovao
Notanterahina ny sabotsy 15 avrily lasa teo, teny amin’ ny kianja Car Mandrosoa Ivato, ny fifaninanana tenisy «Tournoi des petits champions», ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Anisan’ ireo nandray anjara tamin’ity ny ligin’Analamanga sy Atsinanana ary ny seksiona Marovatana. Anisan’ireo niavaka ny zava-bitan-dRakotovao Ambinimanana Précieuse, […]
Lomano-Mada 2023 : “Nivaly ny ezaka, mbola lavitra anefa ny lalana”, hoy Rabejaona Holy Antsa
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny 50 metatra. Samy nanome ny tsara avy aminy ny mpilomano tsirairay. “Nivaly ny ezaka rehetra natao, kanefa mbola lavitra ny lalana”, hoy ny nambaran-dRabejaona Holy Antsa. Herinandro maro ny nanomanana […]
Basikety-Mibala Tournament : nafana ny andro voalohany sy faharoa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana basikety ho an’ny Oniveriste “Mibala Tournament”, karakarain’ny ISPM (Institut Superieur Polytéchnique de Madagascar). Efa nanomboka ny alahady teo kosa ny lalao ary hitohy hatramin’ny alahady 23 avrily izany. Nafana ny fanombohana ary artista kalaza no nanafana ny lanonam-panokafana. […]
Muay-Thai – «Mada 2023» : nahazo medaly volamena 10 Atsinanana
Nandrombaka medaly volamena 10 ny atletan’ny faritra Atsinanana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay-Thai, notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 8 sy 9 avrily lasa teo. Raha tsiahivina, mpikatroka 11 no nisolo tena ny faritra ka nahazo volamena avokoa ny 10 raha volafotsy ny iray. Tamin’ny […]