Fanatajahantena

Federasion’ny taekwondo : mbola tsy nahazo «Code» iraisam-pirenena

Manana fikasana ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja taekwondo, sokajin-dalao “poomsae” na fihetsika mirindra, izay hatao any Hong Kong, ny 23 hatramin’ny 27 novambra ho avy izao, i Madagasikara. Hatramin’izao anefa ny Federasiona malaga­sin’ny taranja taekwondo WT (FMTKD) tsy mbola nahazo ilay «Code» iraisam-pirenena, araka ny […]

“Alley Hoop 2024” : hampiala voly ny tanora amin’ny basikety

Raikitra indray ny andiany faha-6 amin’ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”. Fifaninanana hatao ny 2 sy 3 novambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hampiala voly ny tanora amin’ny alalan’ny basikety ny tanjona amin’ity “Alley Hoop 2024” ity, araka ny nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana, nandritra ny fampahafantarana […]

MMA-WFA Championship : nandresy an’i Mohamed i Tojo Heriniriana

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpikatroka amin’ny taranja MMA (Martial Mixed Arts)/ i Tojo Heriniriana. Miatrika fifaninanana matihanina any Shanghai Chine, izy, nanomboka tamin’iny volana septambra iny, izay nisafidy mano­kana ny hifantoka amin’ny taranja MMA. Nahazo fandresena indray izy, omaly, tao anatin’ny fifaninanana “Main évent”, izay tafiditra anatin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, taranja ping-pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao tany Addis-Abeba Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Nigeria ny Malagasy. Samy resy tamin’ny seta 3 no ho 0 avokoa Andriantahina Tina sy Raharima­nana Hanitra ary Jaoferson Fara. Laharana faha-6 tamin’ireo […]

Fanamoriana fiarakodia : tompondaka i Faniry sy i Mahents

Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambolo­lona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokaraka­rain’ny ASA […]