Fanatajahantena

Basikety-ISPM : hampiray ny tanora amin’ny “Mibala Tournament”

Mankalaza ny faha-30 taonany amin’ity taona ity ny ISPM (Institut supérieur Polytechnique de Madaga­scar). Ho fanamarihana izany, mikarakara fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, izy ireo, izay hatao ny 17 hatramin’ny 24 avrily izao eny amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Fifaninanana misokatra hoan’ny mpianatra amin’ny Oniveriste rehetra manerana an’i Madagasikara, ahitana ekipa 15 […]

Rugby – XXL Top 20 : tsy voatohitry ny FTBA ny 3FB

Nitohy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rug­by XXL Top 20. Saika voahaja avokoa ny lojika satria nivoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’ izany, ny namontsanan’ny 3FB an-dry zareo FTBA. Tsy voatohitry ny ekipan’Andoha­tapenaka mihitsy ry zareo avy ao […]

Madagasikara 0 – 2 Centrafrique : vita hatreo ny Can 2023 ho an’ny Barea

Tapitra hatreo ny lalana mankany amin’ny “Can Côte d’Ivoire 2023” ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’ny les Fauves Centrafrique tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa malagasy. Araka izany, tsy hampiova zavatra intsony ny lalao roa ambiny izay hihaonana amin’i Ghana sy i Angola . Nopotehin’ny Les Fau­ves Centrafrique ny […]

Ratiarison Asaramanitra: tompondakan’i Afrika imbetsaka, tsy nisy nahatohitra teo amin’ny 48 kg

Ratiarison Asaramanitra, judokas azo lazaina mbola tanora kanefa efa nanoratra tantara maro teo amin’ity taranja ity. Karate no fanatanjahantena voalohany nataony niaraka tamin’ireo zokiny telo lahy. Ny rainy kosa no nitondra azy nanao fanazaran-tena Judo voalohany. “6 taona aho no nanomboka nanao Judo tao amin’ny Judo Club ESCA ary nijanona […]

Orange Pro League : lavon’ny TFFC ny Uscafoot

Tsy nampoizin’ny rehetra ny voka-dalao tamin’ny andro faha-11 ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League (OPL). Lavon’ny Tsaramandroso For­mation FC (TFFC) Boeny, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny Uscafoot Analamanga. Fihao­nana notanterahina tetsy amin’ ny kianjan’Ambohidra­trimo, ny sabotsy 25 marsa lasa teo. Raha hiverenana ny lalao, ny TFFC no nitarika, tamin’ny […]