Hiezaka hanoratra tantara vaovao ny Barea anio, vonona hanao “remontada” amin’ny les Fauves Centrafrique izy ireo. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Douala Cameroun, amin’ny 4 ora folakandro, ora eto Madagasikara. Fihaonana tafiditra amin’ ny andro fahefatra, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho fandraisana anjara amin’ny Can 2023, hatao any Côte d’Ivoire. Tsy […]
Fanatajahantena
SESAM and-3 : niara-nikotrana ny mpandray anjara
Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny andiany faha-3 amin’ny hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts martiaux), hatao ny 5, 6, 7 mey izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika, niaraka nanao fanazaran-tena sy famerenana, ny seho hataon’izy ireo, ny mpandray anjara amin’ity hetsika […]
Atletisma – Telma semi marathon : resin’i Fulgence i Mampitroatse
Tsy nisy ny zava-bita montsana saingy nitranga ny tsy nampoizina, nandritra ny fifaninanam-pirenena, taranja atletisma Telma semi-marathon. Fifaninanana, notanterahina teto Antananarivo, omaly alahady. Resin’i Fulgence, atletan’ny Crown, Vakinankaratra, efa 47 taona i Mampitroatse, anisan’ireo nanjakazaka tamin’ity halavirana 21 km ity. Nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ity sokajy lehilahy ity. Raha […]
Rugby AROI : norombahan’ny Makis de Madagascar U18 lehilahy ny amboara
Nihofahofa tatsy amin’ny Nosy La Réunion indray ny saina malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina (AROI), taranja rugby, sokajy zandriny U18 sy U16. Norombahan’ny Makis lehilahy ny amboara ho an’ny U18; Notanterahina tatsy amin’ny Stade Paul-Julius Benard, ST Paul, La Réunion, ny zoma 24 sy ny sabotsy […]
Fifanintsanana «Can 2023» : najanona i Ibrahim sy i Datsiry
Tsy anisan’ireo nihazo an’ i Douala Cameroun i Ibrahim sy i Datsiry amin’ny fiatrehana ny lalao miverina hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja baolina kitra. Fihaonana, hikatrohana amin’ny Les Fauves-n’i Centrafrique ary tafiditra amin’ny andro fahefatra. Noho ny ratra nahazo azy ireo no anton’izany, araka ny […]