Fanatajahantena

Kitra any ivelany: tsy manana klioba intsony i Cristiano Ronaldo

Tsy mpilalaon’ny Manchester United, klioba anglisy (MUFC)  intsony i Cristiano Ronaldo, mpilalao baolina kitra kalaza portogaly. Vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, tamin’ny talata teo. Noho ilay valandresaka nataony tao anaty fandaharana ka nilazany fa namitaka azy ny Manchester United, nanambara koa izy fa tsy manaja azy i Erik Ten Hag, […]

Handball – IHF Trophy U20 lehilahy: hiady ny tapakila hiatrehana ny Mondial ny Akio

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy U20 zazalahy i Madagasikara, manomboka anio. Anisan’ireo firenena hiatrika izany ny Akio de Madagascar. Hanomboka anio ka hatramin’ny alahady 27 novambra ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball zazalahy […]

Beach soccer: hiova mpanazatra ny Barea

Taorian’izay 13 taona nitondran-dRamarolahy Solofo, mpanazatra ny Barea Soccer teo aloha, fantatra  izao, araka tsiliam-baovao voaray, fa hosoloina ny tenany. Tsiahivina fa ny Barea izay avy nanao ny fifaninanana niadina ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022), natao tatsy Mozambika. Raha tsiahivina ny vokatra tamin’izany, ratsy satria resy hatrany tao anaty […]

Basikety – «BAL Elites 16»: resin’ny City Oilers Oganda ny Cospn

Ratsy fiditra ny ekipan’ny Cospn Madagasikara, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny “Bal Eites 16”, taranja basikety. Niondrika teo anatrehan’ny ekipan’i City Oilers avy any Oganda, mantsy ry zareo polisy. Niditra an-tsehatra, omaly, ao anatin’ny dingana faharoa ny fifanintsanana ny BAL elites 16, taranja basikety, ny ekipan’ny Cospn Madagasikara. Ratsy […]

Akon’ny Mondial 2022

Maratra i Enner Valencia Taorian’ny lalao tamin’ny alahady,  nihaonan’i Ekoatera sy Qatar, fantatra fa naratra sahady i Enner  Valencia, lohalaharana ekoatorianina. Io ny vaovao hita tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny ekipa. Ny ratra teo anivon’ny feny sy ny tongony nahazo azy. Nanome toky i Gustavo Alfaro, mpanazatra fa tsy maintsy hijoro izy, […]