Iray andro mialoha ny lalao mandroso hikatrohana amin’i Centrafrique ny Barea de Madagascar, anio. Vonona ny ekipa roa tonta hiatrika izany. Hitantana ny lalao ireo mpitsara avy any Rwanda. Avy atsy Maorisy ny “commissaire au match”. Hitantana ny fihaonana eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves du Bas-Oubangui […]
Fanatajahantena
Kick Boxing-JIOI : mikotrana in-3 isan-kerinandro ny atleta
Manomboka miditra amin’ ny fampivondronana ihany koa ny mpikatroka eo anivon’ ny taranja kick boxing, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Mbola mandeha tsikelikely anefa izany, noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly ny federasiona, i Anigael Gastros. Fanazarantena iraisana in-3 isan-kerinandro ihany aloha izao no hatao […]
Tsipy kanetibe : lasan’ny BIC sy ny C2BA ny amboara sy ny lelavola
Tontosa teny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fanokafana ny taom-pilalaovana, ho an’ny federation sport boule malagasy (FSBM). Fifaninanana ho an’ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ara-dalàna, nanamarihana izany fanombohana izany. Nisongadina teo amin’ny sokajy “sénior” lehilahy BIC sy ny C2BA Vakinankaratra ho an’ny vehivavy. Resin’ny […]
Rugby “6 Nations”: Tompondaka ny Trèfle Irlandey
Voahosotra ho tompondakan’ny fifaninanana “6 Nations”, taranja rugby, ny Trèfle Irlandey. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 29 no ho 16 ny XV de La Rose, Angletera. Lalao notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ ny Aviva Stadium Irlande. Tsy resy mihitsy ny ekipa irlandey tamin’ity fifaninanana ity. Araka izany, inefatra […]
Judo-Rasoanaivo Razafy Laura: « Mila matanja-tsaina raha te hahazo fandresena »
Vokatra tsara ny azon’i Laura, judokas malagasy, tao anatin’ny herinandro. Mitantara ny niainany sy nanomanany ireny fifaninanana ireny izy. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny niatrehana ny « Open d’Afrique de Tunis » sy « Coupe d’Afrique d’Alger »? Rasoanaivo Razafy Laura (-) : Nahafinaritra ny niatrehana ny « Open d’Afrique de Tunis » sy ny « Coupe […]