Fanatajahantena

Ping Pong – “Mondial 2024”: resin’i Japon i Madagasikara

Notanterahina, omaly, ny andro fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, “ping pong”, lalao iraisana, izay atao any Busan Korea Atsimo. Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy. Nomontsanin’i Ja­pon, tamin’ny isa 3 no ho 0 izy ireo. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta. Lavon’i Harimoto […]

Échecs-Lalao Afrikanina : Solontenan’ny Malagasy i Fy sy i Tsinjoniavo

Anisan’ny taranja hifaninanan’i Madagasikara, mandritra ny lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny lalao Échecs. Hisolo tena ny Malagasy amin’izany Rakotomaharo Fy sy i Tsinjoniavo Aina Mahasambatra, ny 8 hatramin’ny 12 marsa izao. Samy antenaina hahazo medaly izy mianadahy ireto, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Échecs, Andrianantenaina Ramalanjaona. Tsiahivina, vao […]

Basikety 3×3-“De la rue vers l’or” : Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’Analamanga

Nifarana omaly, teny amin’ny complexe sportif an’ny Cnaps Vontovorona, ny fiofanana sady fifaninanana “De la rue vers l’or”, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy latsaky ny 23 taona. “Camp des Jeunes” naharitra 3 andro narahina fifaninanana nifanandrinan’ny ekipa 21 manerana ny Nosy no nitranga, nanomboka ny zoma 16 febroary lasa teo. […]