Fanatajahantena

Mondial 2022: lalao 28 ihany no alefan’ny TVM

Noho ny tolotra omen’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA), voafetra ho 28 ihany ny isan’ireo lalao azon’ny fahitalavitra alefa, izay tsy andoavam-bola, amin’ny «Mondial 2022», tanterahina any Qatar, manomboka rahampitso alahady 20 novambra. Araka izany, 28 ihany izany ny isan’ny fihaonana azon’ny TVM alefa, araka ny nambaran-dRakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, minisitry […]

Basket – “Bal Elites 16”: ekipa henjana ireo miandry ny Cospn atsy Afrika Atsimo

Tokony hanainga, anio, raha tsy misy ny fiovana ka hihazo an’i Cape Town Afrika Atsimo ny ekipan’ny Cospn, hiatrika ny fifaninanana BAL (Basket ball Africa League) Elites 16.  Fifaninanana hatao 22 hatramin’ny 27 novambra izao izany, hiatrehana ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana ahazoana ny tapakilan’ny BAL 2022. Tsiahivina fa henjana […]

Kitra – Orange Pro League 2023: nanolotra baolina 175 ny fiadidiana ny Repoblika

Hanomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanam-pirenena hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara “Orange Pro League 2022-2023”, taranja baolina kitra. Nangataka birao hiasany ny Club de football elite de Madagascar (CFEM). Hotanterahina manomboka anio asabotsy 19 novambra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Orange Pro […]

Kitra – Mondial 2022:  Qatar 20 Novambra – 18 Desambra

Ireo ekipa 32 sy ny vondrona misy azy ireo tsirairay avy Vondrona «A» Qatar, Ekoatera, Sénégal, Pays-Bas Vondrona «B» Angletera, Iran, Etazonia, Pays de Galles Vondrona «C» Arzantina, Arabia Saodita, Meksika, Polonina Vondrona «D» Frantsa, Aostralia, Danemark, Tonizia Vondrona  «E» Espaina, Costa Rica, Alemaina, Japon Vondrona «F» Belzika, Kanada, Maraoka, […]