Fanatajahantena

Makis de Madagasikara : nodimandry i Lanja na Lebigane

Misaona ny tontolon’ny rugby eto amintsika. Nodiman­dry ny alatsinainy 13 marsa, teo amin’ny faha-21 taonany, Andriamasinjanahary Lanja Fiononantsoa na Lanjabe Lebigane, mpilalaon’ny Makis de Mada. Taitra ny rehetra raha naheno ity vaovao mampalahelo ity, indrindra fa ireo akaiky azy. Matanjaka sy ma­hery i Lanjabe izao nindao­sin’ny fahafatesana tampoka izao. Anisan’ny […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : miandry ilay fampivondronana any ivelany ny atleta

Hatramin’izao, tsy mbola nisy filazana ny amin’ny fandefasana ireo atleta ao amin’ ny taranja fototra atletisma hiatrika fiofanana any Kenya sy Dakar eo amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), tanterahina eto Mada­gasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Tsiahivina fa efa na­nambara ny fahavononana ny […]

Basikety – « Mondial 2023 »: miray vondrona ny ekipa amerikanina sy ny Ankoay

Vita omaly ny antsapaka ho an’ireo ekipa 16 hiatrika ny “World Cup 2023” any Hongria, ho an’ny taranja basikety, sokajy U19. Miray vondrona amin’ny Malagasy ny ekipan’i Etazonia, mpanjakan’ny basikety. Ho gidragidra ny lalao rehetra miandry ny An­koay U19. Fantatra nan­dritra ny antsapaka natao tany Debrecen Hongria, omaly, fa miray […]

«Multidanse» : nahazo medaly volafotsy ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ihany koa ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Championnat Multidanse” natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly volafotsy i Toky sy i Valencia, izay nankasitrahan’ny mpitsara manokana ny fahaizan’izy ireo. Tsiahivina fa fanasana avy amin’i La Réunion ny nahafahan’i Madagasikara nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, […]