Fanatajahantena

Orange Pro League : lavon’ny CFFA ny Zanakala FC

Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady ny andro fahasivin’ny fifaninanana “Orange pro league” (OPL) taona 2023. Lavon’ny CFFA Andoharanofotsy tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Zanakala FC, Matsiatra Ambony. Lalaon’ny kaonferansy atsimo, natao tao amin’ny kianjan’ny El­geco Plus By-pass, omaly. Ny mpilalaon’i Fianarantsoa no nitarika tamin’ny isa 1 no […]

Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023»: nahazo volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 ny Malagasy

Tsara ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Nan­drombaka medaly volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 izy ireo. Fifaninanana, notanterahina tany Djibouti, nifarana omaly alahady. Nahazo ny tapakila hiatrehana […]

Judo-“Africa Cup”: tompondakan’i Afrika Rasoanaivo Razafy Laura

Nahazo vokatra tsara indray ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, notanterahina tany Tunis, ny 9 hatramin’ny 12 marsa lasa teo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, Rasoanaivo Razafy Laura. Mitohy hatrany ny fametrahan-dRa­soa­naivo Razafy Laura ny anarany, eo amin’ ny sehatra afrikanina, ho an’ ny taranja Judo. […]

Dihy ara-panatanjahantena: hiatrika fifaninanana any La Réunion ny Malagasy

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any La Réunion, ny fifaninanana “Multi­dance”. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara. Namaly ny fanasana avy amin’ny Komity re­zionalin’ny FFDanse Renioney, ny federasiona ma-lagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Voaasa hitsara ny fifaninanana sy hiatrika ny fi­faninanana izy ireo ka nihazo an’i La Réunion, omaly. Ny filohan’ny […]

« Mada open- Auto – moto » : hanomboka ny 18 marsa ny fifaninanana  « 4 heures Honda »

Nifoha tamin’ny torimasony ny taranja «auto-mo­to», nandritra ny telo taona no tsy nisian’ny fifaninanana. Ta­paka teny Andraharo, omaly, fa horaiketina ny 18 marsa hatramin’ny 19 marsa ho avy izao ny fifanintsanana andiany faha-21 «4 heures Honda». Hotontosaina etsy amin’ny SRK-TMF Imerin­tsia­tosika. Araka ny fanazavan-dRazafi­mahefa Tsirava, filoha nasionalin’ny “Auto-Moto” eto Madagasikara […]