Nisongadina indray ilay Malagasy mpilalao moto, i Mathias Plantive, nandritra ny fifaninanana nasionaly natao tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanjakan’i Mathias Plantive indray ny dingana faharoan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto Cross, sokajy “élite 1”, izay notanterahina tany Antsirabe, ny alahady 11 febroary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany, […]
Fanatajahantena
“Can 2023” : Tompondaka ny Elefantan’i Côte d’Ivoire
Taorian’ny nandrombahan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2023), nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) azy ireo, ny lelavola 6,4 tapitrisa euros, ankoatra ny amboara sy ny medaly volamena. Tsiahivina fa nifarana ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Alasane Ouattara, ny andiany faha-34. Lavon’ny Elefanta, tamin’ny isa […]
« ASIEF 2024 » : any Diego, ny 18-30 aogositra
Fantatra ny daty sy ny toerana ofisialy hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly, fanao isan-taona, eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Ny 18 hatramin’ny 30 aogositra 2024 no hanaovana izany, any Diego. Marihina fa niova io toerana io, raha toa ka any Nosy Be no nokasaina hanatontosana ity […]
“Football For Schools” : hatao ny 15 febroary izao ny andiany faharoa
Taranja anisan’ny mahasarika ny tanora ny baolina kitra. Hisy ny fifaninanana isan-tsekoly izay hatao any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, amin’ity volana febroary ity. Hotanterahina manomboka ny 15 hatramin’ny 17 febroary ho avy izao, any Andranomanelatra Antsirabe, ny andiany faharoa amin’ilay tetikasa ho an’ny sekoly, “Football for Schools”. Amin’ ity andiany ity, […]
Tenisy – « J200 Cairo » : Laharana fahatelo i Voavy Mitia
Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana « J200 Cairo » izay natao tany le Caire Egypte. Nandrombaka ny medaly alimo i Madagasikara. Nifarana ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “J200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy “junior”, lahy sy vavy, izay natao tany le Caire Egypte, ny 5-10 febroary. Nandrombaka ny medaly […]




