Nahazo vokatra tsara indray ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, notanterahina tany Tunis, ny 9 hatramin’ny 12 marsa lasa teo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, Rasoanaivo Razafy Laura. Mitohy hatrany ny fametrahan-dRasoanaivo Razafy Laura ny anarany, eo amin’ ny sehatra afrikanina, ho an’ ny taranja Judo. […]
Fanatajahantena
Dihy ara-panatanjahantena: hiatrika fifaninanana any La Réunion ny Malagasy
Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any La Réunion, ny fifaninanana “Multidance”. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara. Namaly ny fanasana avy amin’ny Komity rezionalin’ny FFDanse Renioney, ny federasiona ma-lagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Voaasa hitsara ny fifaninanana sy hiatrika ny fifaninanana izy ireo ka nihazo an’i La Réunion, omaly. Ny filohan’ny […]
« Mada open- Auto – moto » : hanomboka ny 18 marsa ny fifaninanana « 4 heures Honda »
Nifoha tamin’ny torimasony ny taranja «auto-moto», nandritra ny telo taona no tsy nisian’ny fifaninanana. Tapaka teny Andraharo, omaly, fa horaiketina ny 18 marsa hatramin’ny 19 marsa ho avy izao ny fifanintsanana andiany faha-21 «4 heures Honda». Hotontosaina etsy amin’ny SRK-TMF Imerintsiatosika. Araka ny fanazavan-dRazafimahefa Tsirava, filoha nasionalin’ny “Auto-Moto” eto Madagasikara […]
Malagasy Rugby : misy mpanakanto ao anaty birao mpitantana
Nampahafantarin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby ny mpanao gazety, tetsy Ankorondrano, omaly, ny firafitry ny komity mpitantana sy mpanatanteraka. Fantatra fa mpikambana vaovao ny 6 ka misy mpanakanto iray sy vehivavy 2. Ankoatra izay, tafaverina ny 7. Tsy mbola nampahalalaina ny mpampahalala vaovao ny anaran’izy ireo fa mbola hatolotra amin’ny fomba […]
Telma E-sport: Ekipa fito no nahazo loka
Notanterahina teny Andraharo, omaly, ny fanomezana ny loka ho an’ireo tompondaka isan-tsokajiny amin’ny fifaninanana Telma E-sport andiany faharoa. Natao hoan’ ny 4 voalohany ny lalao an’olon-tokana ,raha toa ka telo voalohany ny an’ny ekipa. Mitotaly 4 tapitrisa ariary mahery ny vola azon’izy ireo. Fifanintsanana naharitra, nandritra ny volana oktobra 2022 […]