Fanatajahantena

Lalaon’ny Nosy 2023: mety tsy handray anjara amin’ny tsipy kanetibe ny Malagasy

Noho ny sazy mianjady amin’ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara, mety tsy ho afaka handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023, hatao eto amintsika, ny ekipa tsipy kanetibe malagasy. Tsy voavaly ny fitakian’i Claude Azema, filoha iraisam-pirenena, taranja tsipy kanetibe. Manahy ny tsy hisian’ ny taranja tsipy ka­netibe amin’ny […]

Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023» : mianto-tena dia tsy lasa i Santatra sy i Harena

Manomboka anio alarobia 8 marsa, atsy Djibouti, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo manana solontena hiatrika izany i Madagasikara. Tsy anisan’ireo hifaninana anefa i Santatra sy i Harena, mpilalaon’ny Acacia noho tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nambaran’ny federasiona […]

Ligue des Champions: hanala vela amin’ny Bayern ny PSG

Hotanterahina anio ny lalao ampahavalon-dalana miverina faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Cham­pions 2023” (LDC). Hihaona amin’ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay ny Bayern, klioba Alemà. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Allianz Arena. Hanala vela amin’ny Bayern ny PSG. Tsiahivina fa lavon’ny Bayern tamin’ny isa 1 […]

Kitra – Fifanintsanana «Can 2023»: Nesorin’i Dupuis i Arnaud sy i Ramalingom ary i Fontaine

Fantatra omaly ny lisitra mandrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao mandroso amin’i Centrafrique, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2023”. Mbola voatazona i Jeremy Morel raha nesorina kosa i Ramalingom sy i Fontaine. Navoakan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly talata, ny ana­ran’ireo mpilalao mandrafitra […]

Can 2024 : ” Omeo sehatra ny zandry kely” hoy i Anicet

Niteraka resabe ny fanapahan-kevitra noraisin’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea fahiny. “Efa manakaiky ny fisotroan-drononoko aho ka aleo soloin’ireo zandrikely ny toerako”, hoy izy, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Nohamafisin’i Anicet fa tsy mitovy intsony ny herijika entiny tamin’ny Can 2019 sy Can 2024, ka nanapa-kevitra ny tsy hamonjy ny fampivondronana intsony […]