Tontosa teny Alarobia, omaly, ny fifidianana ny filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja taekwondo (FMTKD). Rakotomanana Franck Tiana no lany hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona. Nahazo vato dimy tamin’ireo ligy fito nahazo nifidy ny tenany. Vato roa kosa ny azon’ny kandidà mpifaninana taminy, Ramanantsoa Christian Richard, filohan’ny FMTKD teo aloha. Ny […]
Fanatajahantena
Ligue des Champions : hanala vela amin’ny Man City ny Real Madrid
Hotontosaina anio ny lalao ampahefa-dalana miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Manchester City Angleterre sy ny Real Madrid Espagne. Fihaonana izay hatao ao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium Angleterre. Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, ny lalao […]
Lalaon’ny Barea sy Comores : handresy lahatra ny Caf hatrany ny FMF sy ny fanjakana
Tsy mbola very fanantenana ny fanjakana sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa manaraka ny fangatahan’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf). Mitady ny hevitra rehetra hanatontosana ny lalaon’ny Barea eto Madagasikara. Nampiantso mpanao gazety, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, […]
SOMBIM-BAOVAO
Miatrika ny fifaninanana afrikanina ITF/CAT U16 izay hatao any Alger, renivohitr’i Algerie, i Mitia Voavy Andraina, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Raha ny fantatra, nianto-tena ity Malagasy atleta ity. Tsara ny mampahafantatra fa mety hanarina ny lesoka hita nandritra ny lalao Afrikanina natao tany Accra Ghana i Mitia Voavy amin’ity fifanintsanana […]
Taekwondo: hofantatra anio ny ho filohan’ny federasiona
Hotanterahina anio, eny Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Miisa roa ireo kandidà hofidina amin’izany. Anisany ny filohan’ ny FMTKD teo aloha, Ramanantsoa Christian, sy ny lehiben’ny ligin’Analamanga teo aloha, Rakotomanana Franck Tiana. Tsiahivina fa amin’io fotoana io vao hijoro ny vaomiera mikarakara ny fifidianana (Ceni). […]





