Naneho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny vinan’ ny Tily Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ny minisitra, Resampa André Haja izany, ny sabotsy lasa teo. Nanararaotra ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Tily, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, izy nilazana izany. Vinan’ ny Tily ny hanangana orinasa 100 amin’izao faha-100 […]
Fanatajahantena
“Can” – Ampahavalon-dalana: hifanandrina ny tompon-trano sy ny tompondaka
Notontosaina nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalana fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika «Can 2023», taranja baolina kitra, izay atao any Côte d’Ivoire. Raha ho an’ny anio, hihaona amin’ny Eléphant, Côte d’Ivoire, mpampiantrano, ny Lion de la Teranga Sénégal, tompondaka farany. Tsiahivina fa anisan’ireo firenena voasokajy ho laharana fahatelo […]
DAKA AN-JORONY: Atsangano ny maty
Mahafaly ny rehetra tato anatin’ny taona vitsivitsy ny fisian’ny kianja manara-penitra, ho an’ny taranja baolina kitra isaky ny distrika sy ny faritra eto Madagasikara. Mahavelombolo ny mpankafy ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity, izany. Anisan’ny mahazo tombony ny tanora. Na eo aza izany fandrosoana izany, mampametra-panontaniana ny maro ny zava-misy, tsy […]
Madagascar Aquatics : lany ho filoha Raveloson Rolland Mick
Tontosa ny sabotsy 27 janoary lasa teo, teny amin’ny Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny Madagascar Aquatics na ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Lany nandritra izany, Raveloson Rolland Mick. Ligy 7 no tonga nandatsa-bato tamin’ny fifidianana. Samy nifidy avokoa ireo nandatsa-bato. 5 […]
Kick-Boxing : mpitsara 12 nahazo mari-pankasitrahana
Mampitombo ny traikefany hatrany ireo Malagasy mpitsara sy mpanazatra eo amin’ ny taranja Kick Boxing. Ny herinandro lasa teo, nisitraka fampiofanana iraisam-pirenena, notarihin’ilay renioney mpampiofana, i Marc Hoarau, ireo mpitsara sy mpanazatra ary mpianatra asa 20 mianadahy. Nanomboka ny alarobia 24 janoary ity fampiofanana ity ary nifarana ny zoma 26 […]




