Tontosa ny asabotsy sy omaly alahady ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League 2023”. Sahirana ireo ekipa heverina ho vaventy vao nivoaka ho mpandresy. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara farany. Tamin’ny isa tery 2 no ho 1 ny nandresen’izy ireo ny […]
Fanatajahantena
Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023): hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra – 3 septambra
Tsy misy intsony ny ahiahy fa hatao eto Madagasikara ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Efa nanambara ny fahavononana hampiantrano izany ny Komity Olympika Malagasy (KOM) sy ny fitondrana malagasy. Nambaran-dRandriamanarivo Harinelina, sekretera jeneralin’ny Komity Olympika Malagasy, ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny foibe toerany teny Ivandry fa hotanterahina eto Madagasikara […]
Mondial 2022: lalao 28 ihany no alefan’ny TVM
Noho ny tolotra omen’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA), voafetra ho 28 ihany ny isan’ireo lalao azon’ny fahitalavitra alefa, izay tsy andoavam-bola, amin’ny «Mondial 2022», tanterahina any Qatar, manomboka rahampitso alahady 20 novambra. Araka izany, 28 ihany izany ny isan’ny fihaonana azon’ny TVM alefa, araka ny nambaran-dRakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, minisitry […]
Basket – “Bal Elites 16”: ekipa henjana ireo miandry ny Cospn atsy Afrika Atsimo
Tokony hanainga, anio, raha tsy misy ny fiovana ka hihazo an’i Cape Town Afrika Atsimo ny ekipan’ny Cospn, hiatrika ny fifaninanana BAL (Basket ball Africa League) Elites 16. Fifaninanana hatao 22 hatramin’ny 27 novambra izao izany, hiatrehana ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana ahazoana ny tapakilan’ny BAL 2022. Tsiahivina fa henjana […]
«Mondial 2022”: 27 ireo mpilalao tsy hilalao
Iray andro mialoha ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, tanterahina any Qatar, betsaka ireo firenena sahiran-tsaina noho ireo mpilalao ao aminy tsy afaka hiatrika izany. Ny ratra mahazo azy ireo ny antony. Mahatratra 15 ireo firenena voakasik’izany ary miisa 27 kosa ireo mpilalao tsy afaka ho any Qatar. Anisan’ny nahoraka […]