Fanatajahantena

BC EST-Vital Serge: “Nisy vidiny ny ezaka natao”

Mitohy hatrany ny fahombiazan’ny klioban’ny BCEST (Basketball club éspoirs sportifs de Tuléar). Taorian’ny nahazoana ny anaram-boninahitra teo amin’ny basikety U14 sy ny Handball, sokajy zandriny, nandrombaka indray ny U18 lehilahy, ny faran’ny herinandro teo izy ireo. “Nisy vidiny ny ezaka natao aman-taonany maro. Na tsy nahazo anaram-boninahitra aza teo aloha, […]

Rugby sokajy vehivavy – «Mondiaux D3» : hivoaka anio ny anaran’ireo Makis Ladies ho any Dubaï

Ho fantatra amin’ity anio ity ireo mpilalao handrafitra ny Makis Ladies hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sokajy D3, taranja rugby, lalaovin’olona 15. Miisa 35 ireo hifantenana ho amin’izany. Raha tsy misy ny fiovana, hamoaka ny anaran’ireo mpilalao ho ao anatin’ny Makis Ladies ny mpanazatra sy ny Malagasy Rugby, […]

1st Mobil Rally of Boeny: lasan’i Mathieu sy i Andry Tahina ny fandresena

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany Mahajanga, ny 1st Mobil Rally of Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara eo amin’ny taranja Rallye. Fihaonana nokarakarain’ny klioba Go janga. No­rombahin’ny ekipazin’ny klioba Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Andry Tahina (A.T) ny fandresena. Izy mirahalahy izay nitondra ny fiara […]

Tompondakan’i Afrika: nisaraka ady sahala ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates

Tontosa omaly, tao amin’ny kianja Côte d’Or Maurice, ny lalao savaranonando mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Nisaraka samy tsy nisy nitoko ny Disciples FC Madagasikara sy ny Orlando Pirates avy atsy Afrika Atsimo. Nosahiranin’ny Malagasy tanteraka ry zareo Afrikanina Tatsimo, teo amin’ny 15 mn nanombohana. Nobodoin’ny […]