Fanatajahantena

« Mondial 2022 »: mpanara-maso 200 000 karamain’i Qatar   

Amin’izao fandraisan’ny Qatar ny lalao lehibe iraisam-pirenena na ny « Mondial 2022 » izao, namoaka fepetra maro tao anaty tambajotran-tserasera izy ireo, omaly. Hampiatra lalàna miisa 10 ny Qatariana mandritran’ny fivahinian’ireo olona any amin’izy ireo, ka isan’izany ny fanakaramana ireo mpanara maso miisa roa hetsy, izay handrindra ny mpivahiny sy ny mponina. […]

Echec: tompondakan’i Eoropa Razafindratsima Timothé

Manga indray ny lanitra teo amin’ny taranja lalaon-tsaina Echec, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa ho an’ny tanora, latsaky ny 16 taona, taona 2022. Fifaninanana natao tany Torkia, ny 5 hatramin’ny 14 novambra 2022. Voahosotra ho tompondaka an’i Eoropa ny mpilalao malagasy, Razafindratsima Timothé. Anisan’ny nisongadina indrindra tamin’ireo mpilalao miisa […]

Anosizato Atsinanana: handray lalao rugby ny kianja Surprise

Hitodika eny Anosizato Atsinanana indray ny mason’ireo mpankafy rugby, ny alahady ho avy izao. Ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny kianja Surprise Anosizato Atsinanana, hisy ny lalao fihantsiana telo, amin’io alahady io, amin’ny 3 ora tolakandro. Hanokatra ny fotoana ny lalao ho an’ny diviziona faharoa izay hifanandrinan’ny FTMA (Anosizato) sy […]

Rugby – Lalao fihantsiana: hanafika ny Makis de Madagascar i La Réunion

Hiseho sehatra indray ny Makis de Madagascar lehilahy, rehefa tsy tazana nandritra ny fotoana maro. Hiatrika lalao fihantsiana ry zalahy amin’izany. Hanafika ny Makis ry zareo avy atsy La Réunion. Nangataka hanatanteraka lalao fihantsiana amin’ny Makis de Madagascar ny ekipan’i La Réunion, sokajy lehilahy “sénior”. Neken’ny mpanazatra sy ny tomponandraikitra […]