Manjaka tanteraka amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espaina na Liga F ny FC Barcelone (FCB), vehivavy. Araka ny hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fandresena hatrany no azon’ ny FC Barcelone, nandritra ny lalao 20. Miisa 89 ny baolina tafiditr’izy ireo hatramin’ izao, ary nidirana baolina 4. Eo amin’ny laharana […]
Fanatajahantena
Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpifanandrina voalohany amin’ny Makis i Kenya
Araka izay efa nambaran’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby, hatao eto Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 “Can 2023”. Hotontosaina ny 18 ka hatramin’ny 29 mey ho avy izao, izany fihaonana izany. Tsiahivina fa firenena efatra no hiady lohany amin’izany dia ny […]
Fifanintsanana “Mondial 3×3”: iray vondrona amin’i Aostralia ny Malagasy
Hotanterahina afaka roa volana any Israel, ny lalao sakana hahazoan’ny Ankoay vehivavy tapakila, hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety 3×3. Ekipa 6 no hifaninana amin’izany ka nozaraina vondrona roa. Ao amin’ny vondrona A miaraka amin’i Repoblika Tchèque sy i Aostralia no vondrona misy an’i Madagasikara. I Israel, i Suisse […]
Lalaon’ny Nosy 2023: mety tsy handray anjara amin’ny tsipy kanetibe ny Malagasy
Noho ny sazy mianjady amin’ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara, mety tsy ho afaka handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023, hatao eto amintsika, ny ekipa tsipy kanetibe malagasy. Tsy voavaly ny fitakian’i Claude Azema, filoha iraisam-pirenena, taranja tsipy kanetibe. Manahy ny tsy hisian’ ny taranja tsipy kanetibe amin’ny […]
Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023» : mianto-tena dia tsy lasa i Santatra sy i Harena
Manomboka anio alarobia 8 marsa, atsy Djibouti, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo manana solontena hiatrika izany i Madagasikara. Tsy anisan’ireo hifaninana anefa i Santatra sy i Harena, mpilalaon’ny Acacia noho tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nambaran’ny federasiona […]