Nifarana, omaly, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny Faritra faha-7, taranja Volley ball. Hanatsara ny fiomanana ny ekipan’ny GNVB, araka ny nambaran’ny mpanazatrany, Razafinjatovo Jean Honoré. Tsiahivina fa laharana fahefatra ny GNVB vehivavy ary raraka teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny GNVB lehilahy. Toy izao ny resaka nifanaovana […]
Fanatajahantena
Rugby – XXL Top 20: lavon’ny TFMA ny TFA
Tsy nahatohitra ny TFMA ny TFA. Resin’ny TFMA tamin’ny isa 19 no ho 14 ny TFA, teo amin’ny andro voalohany fifaninanana XXL Top 20 rugby. Lalao notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny omaly 5 marsa 2023. Nanjaka tanteraka ny TFA, nandritra ny 24 minitran’ny fizaram-potoana voalohany. Nahazo “Pénalité” roa […]
Kitra : hifarana ny 23 septambra ny asan’ny FMF
Tapaka nandritra ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, hifarana amin’ny 23 septambra ny asan’izy ireo. Fivoriambe voalohany sady farany amin’ity taona ity. Notanterahina ny sabotsy 4 marsa 2023 lasa teo ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF). Ny 23 septambra ho avy izao, hamarana ny asany ny […]
Rugby – XXL Top 20 : hanokatra ny lalao ny Uscar sy ny 3FAI
Hotanterahina rahampitso ny andro voalohany ho an’ ireo vondrona hafa amin’ny fifaninanana XXL Top 20. Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ny Uscar sy ny 3FAI Ambalavao Isotry. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka. Miandry ny ekipan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny rehetra. Naka mpilalao kalaza maro ny ekipan’ny CUA. […]
Alley Hoop FIBA 3×3 : mampiseho ny maha sangany azy ny Ankoay
Nanomboka, omaly, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana, Alley Hoop FIBA 3×3, taranja basikety. Anisan’ny nandray anjara ny ekipa nasionaly 3×3 Ankoay Senior lehilahy sy ny vehivavy, nitondra ny anarana The Warriors. Mandrafitra ireo ekipa roa ireo ny mpilalao niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny desambra 2022. Arak’izay, […]