Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”. Efa any amin’ny dingana manaraka ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Inate FC Vakinankaratra. Efa fantatra, ny faran’ny herinandro lasa teo, ireo ekipa roa tafita voalohany amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”, […]
Fanatajahantena
Sombim-baovao
Lavo teo amin’ny lalao famaranana amin’ny fidirana ho mpitantara baolina kitra ao amin’ny Canal+, ilay Malagasy, Rakoto Arnaud, ny zoma alina teo. Resin’i Aleksandre Araujo ny tenany. Tsiahivina fa i Christophe Jallet no niaraka nitantara baolina taminy nandritra ny lalao izay nihaonan’ny Paris Saint Germain sy ny Newcastle FC. Araka […]
Barea de Madagascar: ho tonga anio ireo mpilalao ambiny
Araka ny vaovao nampitain’ny solontenan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra avy any Afrika Atsimo, ho tonga amin’ity alatsinainy ity ny andiany farany amin’ireo mpilalaon’ny Barea, hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. I Loic Lapoussin sy ireo mpilalao avy atsy La Réunion, sisa ny hany […]
Ligue des Champions 2024: Tompondaka ny Real Madrid
Nafana tanteraka ny lalao famaranan’ny “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra, afakomaly. Mbola manjaka hatrany ny Real Madrid. Azon’izy ireo indray ny amboara rehefa nandresy an’ny Dortmund. Norombahin’ny Real Madrid indray ny amboara tamin’ ny “Ligue des Champions 2024”, ny sabotsy lasa teo, tany Wembley Angleterre. Lavon’izy ireo teo […]
Barea de Madagascar : mpilalao 16 no efa any Afrika Atsimo
16 amin’ireo mpilalao 25 nantsoina handrafitra ny Barea de Madagascar izao no efa tonga any Afrika Atsimo, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, omaly. Nisy ny fiovana ka nigadona omaly, tany Johannesburg, i Rayan Raveloson, kapitenin’ny Barea sy i Sonny Laiton, Malagasy mpiandry harato. Efa nanaraka fanazarantena, afakomaly, kosa […]




