Fanatajahantena

Rugby – « Super coupe Mada »: rava tsy lera ny lalaon’ny Cosfa sy ny FTM

Noravan’ny mpitsara tsy lera ny fihaonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray, tamin’ny lalao famaranana ny “Super coupe Mada”, taona 2023. Lalao fihantsiana nahafeno mpijery marobe, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly 19 febroary 2023. Tapitra teo amin’ny minitra faha-13, fizaram-potoana faharoa, ny fi­haonan’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjakaray. […]

Alzeria – Mouloudia Alger; efa nanao fanazaran-tena Rakool

Vita tsara ny fitiliam-pa­hasalamana na “visite mé­di­cale” an-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, malagasy mpilalao baolina kitra, ao amin’ny kioba Mouloudia Alger FC (MAFC) Alzeria, ny alarobia lasa teo. Tao­ri­an’izany dia nisy ny fanazaran-tena voalohany nataon’i Rakool niaraka tamin’ireo mpilalaon’ ny MAFC, ny alakamisy lasa teo. Faly tokoa i Rakool, ary nilaza […]

Rugby – «Super Coupe Mada» : hafana ny fihaonan’ ny Cosfa sy ny FTM

Hotanterahana rahampi­tso ny lalao fihantsiana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa miaramila. Fi­ha­onana izay tafiditra amin’ny lalao “Super coupe Mada”, taranja Rugby, izay atao eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka. Anisan’ ireo fihaonana efa nandrasan’ny olona rehetra izy ity. Manana endrika toy ny lalao famaranana kely izy ity, tsy mbola […]

Filoha Rajoelina Andry: “Mendrika ny zava-bitan’ny mpilalao basikety malagasy”

Taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Barea, ny herinandro lasa teo, nahazo ny anjarany ihany koa, omaly, ny Ankoay lahy sy vavy. Tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3 ny sokajy lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny vehivavy, ny taona 2022. Efa nandrombaka ny medaly volamena ihany koa, teo amin’ity taranja basikety 3×3 […]