Anisan’ireo mpitsara tafiditra anatin’ny lisitra « Elite A 2024 » izay navoakan’ny Caf ilay Malagasy, vehivavy mpitsara lalao baolina kitra, Hanjavola Dominique Rosa. Hanaraka fiofanana any le Caire renivohitr’i Egypte, ny 9 hatramin’ny 13 jona ho avy izao, ireo izay voasokajy anatin’ity lisitra ity. Notontosaina ny 22 hatramin’ny 26 mey lasa teo, […]
Fanatajahantena
Basikety – N1A : hifanandrina voalohany ny USJFM sy ny GNBC
Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny 9 jona ho avy izao, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, N1A faritra Atsinanana, lahy sy vavy. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hanokatra izany any an-toerana ny fifanandrinan’ny USJFM Atsimo Andrefana sy ny ekipan’ny zandary GNBC Analamanga. Raha toa ka ny fihaonan’ny SBBC […]
Rally- “Run Mada 2024”: hanomboka rahampitso ny dingana faharoa
Hotanterahina eny amin’ny la Base 213 Arivonimamo, rahampitso, ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Rally-“Run Mada 2024”. Araka ny fanazavana nataon-dRanaivo Rindra, filohan’ny Antananarivo Moto Auto (Ama), izay mpikarakara, hiavaka ny fifanintsanana amin’ity. Anisan’izany ny fampiasana ny lera amin’ny lalaon’ireo mpifaninanana Open. Tsara marihina fa hosokajiana araka ny […]
“Mondial 2026” : hamonjy an’i Afrika Atsimo, ny herinandro ho avy io, i Rayan Raveloson
Hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatry ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny volana jona. Andrasana ny fahatongavan-dRaveloson Rayan sy ireo namany. Fito andro sisa! Hotanterahina ao amin’ny kianja FNB Stadium Johannesburg, ny 7 jona ho avy izao, ny fihaonan’i Madagasikara sy i […]
Amboaran’i Madagasikara : hifandona ny Uscafoot sy ny Inate FC
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Madagascar”, taranja baolina kitra. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eto Antananarivo, avokoa ireo lalao efatra. Lalao iray hisongadina ny an’ny Uscafoot sy ny Inate FC Rouge. Raha tsiahivina, ekipa roa tsy mbola nihaona teo amin’ny lalao ofisialy […]





