Ho sarotra tanteraka ho an’ny Paris Saint Germain, klioba frantsay ny lalao miverina amin’ny fifaninanana any Eoropa “Ligue des Champions”, taona 2023. Lavon’ny Bayern Munchen, klioba alemà, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo ny talata lasa teo. Fihaonana izay natao tao amin’ny kianjan’ny Parc de Princes any Frantsa. […]
Fanatajahantena
Malagasy Rugby : mpitsara sivy nomena fiofanana
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fampiofanana ireo mpitsara ambony latabatra na « commissaire au match » miisa sivy, izay fito lahy sy roa vavy. Ny Word Rugby no mampiofana ireo mpitsara sivy mianadahy ireo. Araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby, natao hampivoarana ny fomba fitsaran-dalao ity fiofanana […]
Atletisma-JIOI : atleta 24 ho any Dakar sy Kenya
Hiady ny ho lohalaharana ny tanjona ho an’ny taranja atletisma, mandritra ny lalaon’ny Nosy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, Raherison Dominique. Tsy vita mora anefa izany fa tsy maintsy manomana, hoy hatrany ny nambarany. Izany indrindra no hisaorany ny fitondram-panjakana manome fiofanana ny atleta toy izao. Ankoatra ireo […]
JIOI-Fiofanana any Chine: afaka efa-bolana vao hiverina ireo atleta 51
Lasa omaly, ireo atleta andiany voalohany, hiatrika ny fiofanana any Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Afaka efa-bolana vao hiverina eto an-tanindrazana. Atleta miisa 29 miaraka amin’ny mpanazatra 2, avy amin’ny taranja atletisma sy fibatana fonjambyireo nanainga omaly, haka traikefa any Chine. Niara-dalana amin’izy ireo ny solontenan’ny […]
Orange Pro League – J13 : lavon’ny Fosa Junior ny Asa Diana
Notanterahina teny amin’ ny kianjan’i Vontovorona ny fihaonan’ny Fosa Junior Boeny sy ny Asa Diana. Resin’ny Fosa tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Asa. Fifandomana natao omaly, ho an’ny kaonferansy avaratra. Izy ity dia lalao tafiditra amin’ny andro faha-13 ny “Orange Pro League” (OPL). Raha hiverenana ny lalao, ny […]