Fanatajahantena

Mondial 2026 : hanao ny marika matihanina ny Barea

Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mety hitondra ny marika matihanina Umbro ny Barea. Raha tsy misy ny fiovana farany eo amin’ny FMF, fanamian’ity marika iray ity no hanaovan’ny ekipa malagasy mandritra […]

Tolona lalaovina ambony fasika : hiatrika ny ho tompondakan’ i Afrika i Madagasikara

Anisan’ireo firenena hanana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny taranja tolona lalaovina ambony fasika, “beach wrestling”, ny Malagasy. Mahatratra 30 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany. Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), teny amin’ny Kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy lasa teo, fa handefa atleta […]

Tsipy kanetibe : fantatra ireo hanao ny «Masters 2024»

Tontosa ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 mey lasa teo, tany Antsirabe, ny fifantenana ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny «Masters 2024» any Frantsa. Voafantina amin’izany, Rafanomezantsoa An­driamahazo Haja (Ny Havana) sy Andrianjaka Jean Michel (Tselonina) ary Rama­nantiary Faralahy Urbain Joseph (Baloty), miampy an-dRazafimahatratra Herilan­tosoa. Mpilalao efa fantatra avokoa […]

Coca-cola-PFL: fantatra avokoa ireo manao ny manasa-dalana

Ny klioban’ny Elgeco Plus Analamanga, ny Disciples Vakinankaratra sy ny Zana­kala FC Fianarantsoa ary ny 3 FB Toliara no tafita amin’ny manasa-dalan’ny « Playoff » “Coca-cola PFL”, taranja baolina kitra. Tsiahivina, notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fihaonana, ampahefa-dalana miverin’ity fifanintsanana ity. Tsy tafavoaka tamin’ny Elgeco Plus Analamanga ny ekipan’ny Fosa […]