Fanatajahantena

Lalao manasa-dalana: nihazo an’Alger ny Barea

Niala tao Constantine ny Barea de Madagascar, omaly. Namonjy an’i Alger, renivohitr’i Algerie, hanatontosana ny lalao manasa-dalana rahampitso. Nitondra ny delegasiona malagasy, ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Air Algerie. Tsiahivina fa ao amin’ny kianja Nelson Mandela, kaominina Baraki, ny kianja hanaovana ny lalao. Hi­fanandrina ny Barea de Madagascar sy ny Lions de […]

Vola valin-kasasarana avy amin’ny CAF: tsy mbola naharay ny tarehim-bola marina ny FMF

Nitondra fanazavana mikasika ny vola valin-kasasarana “primes” omen’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), ny Barea de Ma­dagascar, omaly, tetsy Iso­raka, ny filohan’ny federasiona, Andrianony Victo­rien sy ireo mpiara-miasa aminy. Nambarany fa tsy mbola naharay taratasy avy amin’ny CAF milaza ny tarehim-bola marina, izy ireo. Na izany aza, notsindriany mazava tsara […]

CHAN 2022: hilalao ny manasa-dalana ny Barea

Nanakoako naneran-tany indray i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Barea. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Voalohany eo amin’ny tantarany izany. Dingana goavana, vokatra nisongadina ary tantara vaovao ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

Basikety: tafiditra ao amin’ny Oak Hill Academy i Donovan

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety mala­gasy, mandranto fianarana sy milalao basikety any ivelany. Fantatra izao fa hanohy ny fianarany sy ny fandrantoany ny taranja basikety, ao amin’ny Oak Hill Academy Rakotonanahary Donovan, mpilalao malagasy, anisan’ ny misitraka vatsim-piana­rana any Etazonia. Manomboka amin’ity volana janoary ity izy no hiditra ao […]

«Open d’Australie» : hanao famaranana i Djokovic sy i Tsitsipas

Hafana tanteraka ny lalao famaranan’ny taranja tenisy “Grand Chelem Open d’Aus­tralie”. Hihaonan’i Novak Djokovic, mpilalao serba laharana faha-5 amin’ny ATP sy i Stefano Tsitsipas, mpilalao grika laharana faha- 4 ny ATP ihany. Lalao izay atao ao amin’ny kianjan’ i Rod Laver Arena, rahampitso alahady 29 janoary. Raha hiverenana ny lalao […]