Notontosaina omaly, tany Tunisie, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025”. Nitafa tamin’ireo mpilalao Barea ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Mialoha ny fifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie, omaly, tany Tunisie, tonga nampahery ny Malagasy mpilalao ny […]
Fanatajahantena
Rugby – Top 12 Mada : hanohitra ny FTM ry Boaikely
Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny alahady 8 septambra ho avy izao. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Raha ara-taratasy aloha, manantombo […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina, omaly, ny fivoriana ara- teknika ho an’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy U21, taranja karaté, tanterahina any Tunisie. Tsiahivina fa mpikatroka malagasy efatra mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa anio no hanomboka ny lalao any an- toerana. Mankalaza ny faha-25 taonany, ny CSLA (Club […]
Volley- « Coupe de Mada 2D » : hiova ho « Open 2è Division » Analamanga
Ahitana fiovana ny tohin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny Volley ball, amin’ny faran’ity herinandro ity, araka ny fampitam-baovao. Raha tokony hiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy 2è Division lahy sy vavy, ny programa manomboka ny 8 septambra izao, hiova izany, noho ny antony manokana. Araka ny fantatra, hiova ho “Open 2è […]
Parkour-Charles Perrière : mahaliana ny tanora ny fampianarany
Hiditra amin’ny andro faharoa, anio, ny fampiofanana mahakasika ny Parkour, izay tarihan’i Charles Perrière, kalaza maneran-tany eo amin’ity taranja ity. Namorona ity taranja ity ny tenany sady filohan’ny komisiona iraisam-pirenenan’ny Parkour. Liana amin’ny fampianarany ny mpanao Parkour malagasy ary maniry ny hisian’ny fampiofanana toy izao hatrany. Tetsy ankilany, nanome teknika […]