Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu, Espagne, ny fifanandrinan’ny Manchester City, anglisy sy ny ekipan’ny Real Madrid, klioba espaniola. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalan’ny “Ligue des Champions 2026”. Mbola manala vela amin’ity fihaoanana ity moa ny Real Madrid. Hiatrika fifaninanana any Genève indray ny Malagasy mpilalao tsipy […]

Rugby – “XXL Top 12” : Hangotraka ny lalaon’ny FTM sy CEA

Hiditra amin’ny andro fahafito ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, ny alahady ho avy izao. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andranomanalina. Hangotraka sy hanana ny lanjany manokana io lalao io satria hamaritra ny mety […]

Barean’i Madagasikara : Raikitra ny fampivondronana ny mpilalao

Fantatra omaly fa efa nalefa any amin’ny mpilalao tsirairay avy ny taratasy fampiantsoana azy ireo amin’ny fanatevenana ny ekipam-pirenena Barea. Hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izy ireo amin’ity volana ity. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, dia efa nahazo ny taratasy fampiantsoana azy avokoa […]

Tenisy : Hiatrika lalao iraisam-pirenena 11

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny Fe­derasionina malagasin’ny tennis (FMT) ho an’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Ankoatra ny fifaninanana eto an-toerana, miisa 11 ireo fihaonana iraisam-pirenena hatrehina. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fampiantranoana ny “ITF J30”, sokajy junior. Hotanterahina ny 29 septambra – 3 oktobra ny dingana voalohany, ny 6 – 10 […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipa nisy an’i Dylan Rocher sy i Robineau ary i Rizzi no nibata ny amboara tamin’ny « Passion pétanque Française (PPF 2026). Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, ny ekipan’ Andriantseheno Christian (Racl). Lalao natao ny alahady lasa teo, tao Douaisis France. Hotanterahina etsy amin’ny […]