Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Manoloana ny olana teo amin’ny valin’ny bakalorea 2024 tany Toamasina, nidina ifotony any an-toerana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, omaly. Nitady vahaolana mahakasika izany miaraka amin’ny tomponandraikitra rehetra voakasika n anton-diany tamin’izany. Hitsidika ireo vehivavy nodidina vokatry ny aretina mamany lava raisina an-tanana […]

Famarinana olona: mila sahy mitoroka sy mandray andraikitra

Manaitra ny sain’ny rehetra ny Biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH) fa tokony ho sahy mitoroka avy hatrany izay mahita tranga mampiahiahy miendrika fanararaotana na famarinana olona. Anjara biriky ho fanavotana ireo lasibatra ny fahasahiana mitoroka. Afaka miantso ny laharana 034 32 111 22 raha mahita fihetsika heverina ho famarinana olona. […]

Ady amin’ny fanararaotana ankizy : hanolotra fitaovana ny Amerikanina

Nanome fampitaovana ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny masoivoho amerikanina. Tanjona ny hiadiana amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy amin’ny internet. Hanampiana ireo mpanao famotorana hanao fanadihadiana lalina momba ny trangana famarinan’olona, indrindra mianjady amin’ny ankizy, ireo fitaovana. Solosaina sy fitaovana fitsirihana ahitana haingana ny […]

Tetikasa Lova-USAID: hanatsara ny fahaiza-mamaky teny amin’ny ambaratonga fototra

Nomarihina omaly ny fiverenan’ny famatsiam-bola amerikana eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fanombohan’ny tetikasa « Lova » vatsian’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) no hanatanterahana izany. Natao hanatsarana ny fianaran’ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra, amin’ny famakiana teny sy ny kajy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ny […]

INDRAY MIJERY

Nomarihina ny sabotsy teo ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny haromontana. “Fohanantsika ireo sakana amin’ny ady atao amin’ny haromontana”. Io no lohahevitra novoizina. Fisorohana tsara indrindra ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny haromontana ireo biby ompiana toy ny saka sy alika. Nanome fe-potoana 48 ora ny Jirama, nanomboka ny sabotsy teo, ny […]