Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anôsy, ny atri­kasa fanombohana ny tetikasa “First Food”. Natao indrindra hanatsarana ny sakafo ara-pahasalamana sy manan-karena otrikaina ho an’ny zaza 6 ka hatramin’ ny 23 volana izay anisan’ny ezaka natao hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izany. Tafiditra anatin’ny fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra […]

Fondation Axian sy ny FCRA. : Trano 150 ho an’ireo fianakaviana marefo

Notokanana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Ta­taho, distrikan’i Manakara, ny trano fonenana sosialy miisa 150 sy ny sekoly Al Mahdi School II tamin’ny afakomaly. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fondation Axian sy ny fifanam­pian’ny Centre Rassoul Akram (FCRA) ny fotodrafitrasa. Tetikasa roa mifameno izy ireo. Ny Fondation Axian no namatsy vola tanteraka ny […]

Radio Fahazavana: Mankalaza ny faha-29 taona nijoroany

29 taona nijoroana amin’ity taona ity, ny radio fahazavana. Fitaovan-tserasera iray eo anivon’ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Nosantarina tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny trano foibe FJKM Ifano­mezantsoa Anakaleky, afakomaly, ny fanamarihana izany. « Fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo », io no teny fanevan’ny radio, izay nifandraika tamin’ny vinan’ny […]

Noho ny fahantrana : Mandalo sedra mafy ny ray aman-drenin’ireo tanora an-tapitrisa

“Vokatry ny fahantrana lalina, miaina anaty fisedrana mafy ny ray aman-dreny mampiana-janaka amin’izao fotoana. Voka-dratsy no aterak’io aoriana kely”, hoy ny Observatoire de la jeunesse. Amin’izao fiandohan’ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly izao, mbola mampahatsiahy sy manaitra ny sain’ny fanjakana, indrindra ny amin’ny sehatry ny fampianarana ny Observatoire de la jeunesse, ny […]

INDRAY MIJERY

Vita ny sonia fifanarahana arakasa eo amin’ny Fédération mutuelle de santé Miara-miahy sy ny Fisa Madagascar izay efa nahazo ny fankatoavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny rafitra fiarovana ara-pahasalamana eny ifotony amin’ny faritra mbola voafetra ny fahazoana izany tolotra izany. Ny Fisa Madagascar no hiantoka ny famatsiana fanafody […]