Nanentoento ny fofona Chocolat tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny “Salon du chocolat et de la gourmandise », andiany faha-8. Hetsika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Nahafa-po ny maro ny fitsidihana ireo tranoheva, nanomboka ny maraina hatramin’ny hariva nifaranan’izany. Anisan’ny nahasarika azy ireo ny fankafizana ny tontolon’ny […]
Fiaraha-monina
Takaitran’i Gezani : Mitohy ny fanampiana ataon’ny vadin’ny filoha
Naneho firaisankina amin’ny mponin’i Toamasina, noho ny takaitran’ny rivodoza Gezani, ny vadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Elisa. Notanterahina ny herinandro teo, ny fizarana izany. Tonga tany an-toerana ny iraky ny vadin’ny Filoham-panjakana, tamin’ny alalan’ny mpandrindra, ny Pr Koto Bernard sy ny lehiben’ny kabinetra ay ireo mpiara-miasa amin’ny vadin’ny filoha. Nitondra fanampiana ho […]
INDRAY MIJERY
Fanentanana sy fampianarana maro samihafa, arahina tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, no entin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao Toamasina II. Manohana ireo vahoaka eny ifotony, ahafahan’ny tsirairay manana vatana tomady entina mihary indray sy manarina ny fahavoazana izy ireo. Izany no ezaka fanarenana taorian’ny rivodoza. Fanentanana sy fitiliana maimaimpoana tao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka no nentina […]
« Elect’Echo » : Hitondra ny feon’ny vehivavy sy ireo sembana
Haharitra 12 volana ny tetikasa «Elect’echo» tanterahin’ny Coalition des radio ho an’ny eto Madagasikara. Hampita hafatra amin’ny alalan’ny fandaharana samihafa vokariny ny onjam-peo sivy mpiara-miasa. Tanjona ny hampiely feo momba ny fampahafantarana ny andraikitry ny olom-boafidy sy olom-boatendry ny tamberin’andraikitra sy ny zo sy adidin’ny olom-pirenena eto amintsika, araka ny […]
Fiantsenana : Efa maro ireo mampiasa karatra Visa niomerika
Efa maro ireo mampiasa ny karatra niomerika hividianana zavatra amin’ny internet eto Madagasikara. Ireo mpanafatra entana ivelany ihany koa dia efa tsy mikirakira vola intsony fa amin’ny alalan’ny karatra niomerika no manao ny fiantsenana. Efa tsy azo hihodivirana intsony ny fampiasana ireny karatra ireny ary efa fizarana sahady amin’ny hoavy […]




