Novain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho laza adina faharoa ny taranja Anglisy nanerana ireo ivontoeram-panalana fanadinana, omaly, noho ny fiparitahan’ny laza adina mialoha tamin’ireo ankizy. Anisan’ny nahitana ny tranga ny tetsy amin’ny CEG Nanisana. Niteraka fikorontanana teo amin’ny fotoana tokony ho nanalan’ny mpianatra ny fanadinana izany. Nihemotra ihany koa ny ora fanombohan’ny […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nanorina efitrano vaovao hianarana, trano fivoahana, lavadrano, kianja fanaovana fanatanjahantena ary fambolen-kazo ao amin’ny CEG Mavorano, faritra Fitovinany, ny Unicef. Nitsidika any Atsimo Atsinanana ny filankevi-pitantanany ary nahita ny asan’ny Unicef hafa hanohanana ireo marefo indrindra. Anisan’izany ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira manohana ara-bola ny ankizy sy ny ankohonany. […]
Vatsim-pianarana : hanomboka amin’ity volana ity ny fizarana
Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite manomboka amin’ity volana jolay ity ho an’ny volana faha-4 ka hatramin’ny faha-6. Hozaraina mialoha ny faran’ny taom-pianarana 2023-2024 kosa ny vatsim-pianarana ho an’ny volana faha-7 hatramin’ny faha-9. Nankatoavina, nandritra izany, ny famindrana ny […]
Hopitaly miaramila-CENHOSOA: efa mandidy fo an’ny ankizy
Dingana lehibe ho an’ny fitsaboana malagasy ny fahavitan’ny toeram-pandidiana fo, misokatra ho an’ny ankizy, voalohany eny amin’ny Cenhosoa. Maro ny zaza efa miandry fotsiny ny fotodrafitrasa ka tsy ho voatery handeha any ivelany intsony raha mila izany. Efa mandray fandidiana nanomboka ny volana mey lasa teo ny toeram-pandidiana voalohany ny […]
Lycée teknika : Tapitra androany ny fanadinana BEP
Hifarana androany, izay naharitra efatr’andro, ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Raha toa ka efa tapitra omaly kosa ny Certificat de fin d’apprentissage (CFA) ho azy ireo. Fanadinana ara-panjakana natokana ho an’ireo nisafidy ny làlam-piofanana arakasa ny diplaoma BEP. […]