Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nidina ifotony nanara-maso ny fidiran’ny mpianatra amin’ny Lycée maromaro eto Analamanga ny tale misahana ny Fampianarana ambaratonga faharoa (DES) sy ny ekipany tamin’ity herinandro ity. No­jere­na ny fandaminana ankapobeny sy ny famahana ny olana mety hisy. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony sy ireo mpianatra ary ny solontenan’ny ray aman-dreny ihany koa […]

Vatsim-pianarana: Apetraka ny mangarahara amin’ny fisitrahana

Tamin’ity herinandro ity, ni­dina ifotony teny amin’ny sampandraharaha misahana ny va­tsim-pianarana any ivelany (SBex), teny Ankadifotsy, ny mi­nisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Nijery akaiky ny fomba fa­ha­zoana vatsim-pianarana any ivelany sy nitondra fanazavana momba izany amin’ireo ray aman-dreny sy mpianatra ny te­nany. Niresaka mivantana […]

Taom-pambolena 2025-2026 : Volavolaina ny tetiandro

Natao omaly, teny Ampandrianomby, ny fivorian’ny mpisehatra rehetra amin’ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena 2025-2026. Tanjona ny hahafahana mamaritra ny dingana amin’ny famolavolana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy izany. Fitaovana hanampy ny tantsaha amin’ny fandaminana tsara ny asa fambolena ny fisian’izy io, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toetr’andro. Hitondra fanatsarana ny […]

Miova endrika ny tanànan’Antalaha : Mandray an-tanana ny fampivoarana izany ny JCA

Mifanome tanana ny tanora matihanina ao Antalaha, izay samy miantsehatra amin’ny maha izy azy avy ka nitondra fampivoarana ny tanàna. Mamirapiratra ny fahadiovana sy ny mari-pamantarana eny an’arabe taorian’ny fanavaozana. Nitondra endrika fanatsarana ny tanànan’Anta­laha ireo tanora sangany ao an-toerana, na JCA. Na­miratra ny tanàna ary nohavaozina ireo taklelaby famantarana […]

INDRAY MIJERY

Nandray ny solontenan’ny Fonds malgache de formation professionnelle (FMFP) tarihin’ny tale jeneraliny, Andriambololona Pierre Raoelina, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny fanofanana arakasa sy ny fananganana paikady vaovao hamaliana ny tinady mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa. […]