Fiaraha-monina

Valanjavaboahary Tsimbazaza: hovatsiana sakafo ara-dalàna ireo biby ela nijaliana

Hitondra fiovana eo amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny ezaka tafiditra ao anatin’ny 100 andro voalohany ataon’ny Mesupres. Hofahanana sakafo ara-dalàna ireo biby ompiana ao an-toerana. Mahavelombolo ireo mpitia zavaboahary izany ary ainga vao hoan’ ity toerana ity. Avy hatrany dia ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza no notsidihin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy […]

Andranomiely Ankazobe : mitsoa-ponenana ny mpiasam-panjakana

Tahotra noho ny asan-da­halo! Nitsoa-ponenana ny mpi­asam-panjakana tao amin’ ny kaominina Andra­nomiely, distrikan’Ankazobe, taorian’ny namonoan’ny dahalo ny ben’ny Tanàna. Nahatsiaro tena ho mandry tsy lavo loha ireo mpampianatra sy dokotera miasa ao an-toerana ka samy nandao ny toeram-piasany avokoa. Etsy ankilany, miteraka fahasahiranana ho an’ireo mponina izany toe-javamisy izany. Nanatontosa […]

Hopitalin-jaza : karazan’aretina telo tena mpahazo ny marary

Trangan’aretina telo no tena mpahazo ny zaza eny amin’ny hopitaly amin’izao fo­toana izao. Nivoitra izany, araka ny fanazavan’ny Dr Andriamparany Nivoarilala, mpitsabo sady tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza, Tsaralalàna (CHUMET). Matetim-pitranga amin’izany ny aretin-tratra na ny Bronchiolite. Mikohoka sy manavy ary mety ho sempotra ilay […]

Fokontany Manjakaray: novatsiana fitaovana ny sembana

Mihazakazaka ny fanatrarana ny tanjona amin’ny asa sosialy izay takina vokatra anatin’ny 100 andro. Nidina teny Manjakaray ny minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina, i Fomendraza Haingo Elisette, omaly. Namangy ireo tokantrano sahirana sy mitaiza olona manana fahasembanana mila tohana ny ekipa notarihiny. Tamin’izany no nanolorany seza misy kodiarana, natokana […]

Fandrindram-piterahana : vehivavy 3 tapitrisa mahery hisitraka anatin’ny 100 andro

Tafiditra ao anatin’ny andry lehibe telo iompanan’ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’izao 5 taona manaraka izao ny sehatry ny fahasalamana. Hisitraka fandrindram-piterahana maimaimpoana ireo vehivavy 3 tapitrisa mahery… Nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra afakomaly, ny momba ny fandrindram-piterahana izay hanaovana ezaka ao anatin’ny 100 andro. Vehivavy miisa 3 220 000, manerana […]